Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 7.5-16
5 Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra. 6 Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin'ny nahatongavan'i Titosy, 7 ary tsy tamin'ny nahatongavany ihany, fa tamin'ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho. 8 Fa na dia nampalahelo anareo tamin'ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany. 9 Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an'Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin'inona na amin'inona. 10 Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao. 11 Fa, indro, izany nampalahelovana araka an'Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin'izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin'izany raharaha izany ianareo. 12 Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan'Andriamanitra ny fahazotoanareo hanaiky anay. 13 Ary noho izany dia nampiononina izahay, ary tamin'ny nampiononana anay dia vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian'i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny fanahiny. 14 Ary raha nisy nataoko rehareha taminy ny aminareo, dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny reharehanay tamin'i Titosy ny aminareo. 15 Ary vao mainka miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy, dia ny haben'ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy. 16 Ary faly aho fa matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 7.5-16
Miatrika ady sarotra isanandro isika mpanompon’ Andriamanitra . Tsy ho faly na oviana na oviana amin’ny asa tsara ataonao mantsy i satana. Tsy maintsy mitady ny fomba rehetra hahakivy anao izy. Eto dia ambaran’i Paoly « …fa nampahorina tamin’ny zavatra rehetra .Teo ivelany nisy ady , tao anatiny nisy tahotra » (7.5). Ambaran’i Paoly fa tsilo atao aminy ireny(2 Kor 12.7). Ho anao koa, aza matahotra fa :
1-Manafy hery sy mampionona anao ny Tompo
« Fa Andriamanitra izay mampionona ny mpandefitra no efa nampionona anay » (7.6) . Aza manahy akory na hilaza hoe: »irery aho« . Tsia , fa te-hiditra an-tsehatra ny Tompo hampionona anao ary amin’izany dia mandefa olona Izy ,na hiteny aminao amin’ny alalan’ny teniny (Isa 41.10). Zavatra iray tena mampahery ny mpanompon’ Andriamanitra koa ny fandrosoan’ny hafa amin’ny finoana (and7,9). Eny , faly ny anjelin’ny lanitra raha misy mpanota iray mibebaka (Lio 15.10).
2-Manohana sy mampahery anao ny vahoakan’ Andriamanitra
Tena faly tokoa i Paoly tamin’izay nataon’ireo kristiana, tsy taminy ihany fa tamin’i Titosy koa . Hoy izy: »Ary faly aho fa matoky anareo amin’ny zavatra rehetra » (7.16). Tohanan’ny Tompo ianao amin’ny alalan’ireo kristiana manodidina anao . Aza matahotra , fa efa nanomana izany olona izany ho anao Izy, satria mpiray ombona antso aminao ireny. « fa IZAHO momba anao , ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao , fa manana olona maro amin’ity tanàna ity Aho » (Asa 18.10).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8