Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Septambra 2019

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 11.1-15
1 Enga anie ka mba handefitra amiko amin'ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra* amiko ihany ianareo.[*Na: Eny, mandefera] 2 Fa fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy. 3 Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny. 4 Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany! 5 Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra* ireo.[*Na: Fatratra loatra] 6 Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin'ny fahalalana; fa tamin'ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin'ny olona rehetra izany hahasoa anareo. 7 Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo? 8 Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo. 9 Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany. 10 Raha ato anatiko koa ny fahamarinan'i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin'ny tany Akaia. 11 Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala. 12 Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan'izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin'ny izay ireharehany. 13 Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. 14 Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. 15 Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 11.1-15

Milaza ny marina momba azy i Paoly . Tena Apostolin’i Kristy tokoa izy . Ny Apostoly marina dia :

1-Saropiaro amin’ny vahoakan’ Andriamanitra (and1-3)

Saropiaro amin’ny kristiana i Paoly . Tiany ho masina , voatokana izy ireo (Zak 1.14/8.2)

2-Manetry tena mba hanandratra ny hafa (and7)

Ny fitoriana ny Filazantsaran’i Kristy dia mitaky fanetretena lalina , tsy mamaky tratra ny kristiana na manery azy hanome zavatra mihoatra ny tokony ho zakany (and9).

3-Manana ny fahamarinan’i Kristy ao anatiny (and10)

Satria i Kristy , ilay marina no ao anatiny , dia manana ny fahamarinana izy . »Ary isika ao amin’ilay marina , dia ao amin’i Jesoa Kristy zanany . Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay« 1 Jao 5.20)

4-Miaro ny ondry amin’ny Apostoly sandoka (and12-15)

Tena tranga misy ankehitriny ity voalazan’i Paoly eto ity :

-Mpitory jesosy hafa (and4)

-Ireo te-hitovy amin’ny Apostoly marina (and12)

-Apostoly sandoka (and13)

-Mpiasa mamitaka(and13)

-Maka endrika ho tahaka ny Apostolin’i Kristy(and13)

-Maka endrika ho tahaka ny anjelin’ny mazava dia i satana izany (and14)

-Miova endrika ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana nefa tsy izy (and15)

Ny fiafaran’ireny dia ho ratsy fiafara tahaka ny asany ihany . Koa mitandrema!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8