Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 1.1-11
1 [Fiarahabana sy fisaorana nataon'i Paoly noho ny nampiononan'Andriamanitra azy. Ny amin'ny nahasampona an'i Paoly tsy hankany Makedonia, sy hafatra ny amin'ny handraisana ilay efa nesorina, ary fisaoran'i Paoly an'Andriamanitra noho ny nitahiany ny tori-teniny] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia: 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, 4 Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay. 5 Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy. 6 Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay. 7 Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa. 8 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza; 9 eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany. 10 Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa, 11 satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 1.1-11
Mijoro ho vavolombelona tamin’izay efa nitantanan’ Andriamanitra azy i Paoly Apostoly . Ny anton’ny fijoroana ho vavolombelona dia satria:
1-Nampiononina ka mahay mampionona izy
Mahatsiaro ny fitondrana mahagaga nataon’ Andriamanitra taminy i Paoly . Fa na dia mafy sy teo am-bavahaonan’ny fahafatesana aza izy dia velona sy nampiononin’ Andriamanitra . Izany indrindra no mahatonga azy afaka mampionona sy mampahery ireo kristiana tao Korinto mba hampitombo hatrany ny finoana tsy ho lavon’ny fampianaran-diso . Avy amin’i Kristy izany : « Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fampiononana anay kosa amin’ny alalan’i Kristy » (1.5). Maniraka anao koa ny Tompo anio mba handeha hampionona sy hampahery ny hafa.
2-Noho ny vavaka asandrattry ny mpino
« Satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin’ny fivavahanareo mba hisaoran’ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ny nataon’ny maro » (1.11). Ny anton’ny fahombiazan’i Paoly sy fampaherezana ho azy ny vavaka ataon’ny mpino ho azy . Ianao koa , mivavaha ho an’ny mpanompon’ Andriamanitra haherezany amin’ny asa fanompoany ka handresy izy ary ho afaka hampionona ny kristiana. Anjaran’ny kristiana ny mivavaka mafy ho an’ny Mpitandrina mba hahavitany ny asany (Heb 13.7/ 1 Tes 5.25/Kol 3.4/2 Tes 3.1) . Ianao koa manomboka anio dia ho mpitondra am-bavaka ny Mpitandrina amin’ny asany sy ny mpitory ny Filazantsara .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8