Fandalinana ny Boky 2 Korintiana

Mofonaina anio: Talata, faha 10 Septambra 2019

Fandalinana ny Boky 2 Korintiana

2 Korintiana 4.16-18 ; 5.1-10
16 Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray* anatiny.[*Ny olonay] 17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, 18 raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.

Fandalinana ny Boky 2 Korintiana

2 Korintiana 4.16-18 ; 5.1-10

Manana hery tsy hay tohaina mandrakariva isika noho ny amin’ny finoana velona an’i Jesoa Kristy satria:

1-Manana fanantenana ny mandrakizay ao amin’i Kristy

Tsy mba ketraka noho izany isika na dia feno fahalovana aza ny tany . « Ary tsy ketraka izahay , fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany , dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetray anatiny  » (4.16). Velona ao amin’ny fanantenana ny mandrakizay isika . Mitrakà mijery ny tsy hita dia ilay mandrakizay ao amin’i Kristy (4.17,18).

2-Tsy manana tahotra ny fahafatesana

Toy ny tranolay itoeran’ny fanahintsika ihany ity vatana ity amin’ny maha- tranolay azy dia mora rava , tsy maharitra ela , mandalo … Fa isika mpino koa dia manana trano maharitra mandrakizay izay tsy nataon’ny tànan’olombelona fa voarafitr’ Andriamanitra (5.1), ny tsy manana izany trano izany dia matahotra ny hila amin’ity trano lay ity . Mety misento koa isika rehefa hiala eto satria endahina amin’ny mahazatra sy mahatamana , nefa aza matahotra (5.2-5).

3-Mandeha amin’ny finoana isika fa tsy fahitana

Tsy manana finoana marina ny olona mila famantarana sy fahitana na fahagagana . Anisan’ny voamarika teo amin’ny Jiosy izany nefa tsy tsara (1 Kor 1.21/Jao 4.48/ 6.26) . Tandremo sao voafitaka fa maro ny toy izany . Vakio Apo 13.11-18/16.13-15/Mat 24.5/Mar 13.6/ Lio 21.8) . Miandry ny fotoana hihaonantsika mivantana amin’ny Tompo isika (Jao 20.29).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » boky faha-8