Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Septambra 2019

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 12.1-10
1 Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran'ny Tompo aho. 2 Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. 3 Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - 4 fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. 5 Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin'ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin'ny fahalemena ihany. 6 Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko. 7 Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofo*, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.[*Na: Notsatohana hazo maranitra ny nofoko] 8 Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko. 9 Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko. 10 Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 12.1-10

I Paoly mampiseho miharihary ny fahitanay sy ny fanambarany azony avy tamin’ny Tompo .

1-Ny amin’ny fiainana ao ambadik’izao hita izao (and1-5)

Izao hita izao ihany no fantatsika olombelona ny amin’ny fiainana , fa ny ambadik’izao kosa dia ny Tompo ihany no mahalala izany sy izay tiany hanehoany azy . Anisan’ ny nanana tombony tamin’izany i Paoly . Tsy ny hamantatra ny antsipirihany akory no tanjon’ny Tompo fa ny inoantsika fa misy tokoa ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Tompo ho an’izay mino Azy sy ny fahafatesana ary ny fijaliana mandrakizay ho an’izay tsy mino. Koa manaitra antsika hitodika amin’ny Tompo izany (Jao 3.1,16/10.28/17.3 /20.31/Tit 1.2/ 1 Jao 2.17/Joda 21).

2-Ampy ho anao ny fahasoavako , hoy ny Tompo (and9)

Tsy i Paoly nomilaza ity teny ity fa ny Tompo mihitsy , hoy izy , fa mpitatitra ihany izy. Miteny aminao koa ny Tompo anio : »Ampy ho anao ny fahasoavako ». Aza manahy akory raha manoloana anao ireo olana sy ady samihafa satria amin’ireny indrindra ny Tompohaneho aminao ny heriny hampahatanjaka sy hampandresy anao. Mety hiseho amin’nyendrika maro izany toy ny famahoriana , fanenjehana , fahaterena , tebiteby noho ny amin’i Kristy (and10) . Hoy ny Tompo aminao: « ...fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena » (12.9). Izany no nilazan’i Paoly

« …fa ny fahalemeko no fahatanjahako » (12.10). Fanoitra ho amin’ny fandrosoanao ara-panahy ny olana. Sal 119.71/Mpito7.14/Job 5.19/Sal40.12-17/Rom 8.18-35/Jak 1.12).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » boky faha-8