Fandalinana ny Boky 1Samoela
Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Novambra 2018
Fandalinana ny Boky 1Samoela
1 Samoela 14.35-52
35 Ary Saoly nanao alitara ho an'i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah. 36 Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana. 37 Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny. 38 Ary hoy Saoly: Manatona et?, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao? 39 Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra. 40 Dia hoy kosa izy tamin'ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ataovy izay sitrakao. 41 Dia hoy Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona. 42 Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany. 43 Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin'ny tendron'ny tehina tet? an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho. 44 Dia hoy Saoly: Hataon'Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana. 45 Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy. 46 Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin'ny taniny. 47 [Ny ady nataon'i Saoly, sy ny filazana ny amin'ny taranany] Ary Saoly nahazo ny fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa. 48 Ary namory miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin'ny tànan'izay namaboazy. 49 Ary izao no zanakalahin'i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran'ny zananivavy roa: ny anaran'ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran'ny faravavy Mikala. 50 Ary ny anaran'ny vadin'i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin'i Ahimaza: ary ny anaran'ny komandin'ny miaramilany dia Abnera, zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly. 51 Ary Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, dia zanak'i Abiela. 52 Ary mafy ny ady tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy.Fandalinana ny Boky 1Samoela
1 Samoela 14.35-52
1-Satria notataovan’ny fahanginan’ Andriamanitra
Raha nanontany Azy ny Mpisorona sy i Saoly ,dia tsy namaly ny Tompo(and 37). Io fahanginan’ Andriamanitra i mantsy dia milaza fa tezitra Andriamanitra .Nisy fahotana nanafina ny tavany tao.Nataon’i Saoly avy hatrany ny fanadihadiana hahalalana ny fototr’izany,ka i Jonatana no voatana sy nitsotra ny nataony. Ary isika koa ,rehefa tsy afaka mandre intsony ny Tenin’ Andriamanitta,na dia mamaky Baiboly sy mihaino toriteny ihany aza: mandiniha tena fa misy efitra manasaraka antsika amin’ Andriamanitra ao.Aza mamono eritreretra fa fantaro izy ota ao aminao ,dia ibebaho ,itsory amin’ny Tompo.
2-Satria saika nisy faty olona !
Azo ambara ho niteniteny foana i Saoly raha nampianiana ny olona tsy hanendry hanina mandritra ny ady. Ary vokatr’izany izao loza nitatao tamin’i Jonatana zanany izao , raha tsy niaro azy tsy ho faty ny vahoaka . Tsy maintsy mitandrina mafy ny amin’izay tenenintsika koa isika mba tsy hifotitra amintsika na ny zanantsika izany. Soa fa eo i Jesoa izay namonjy antsika mba hiharan’ny fahatezeran’ Andriamanitra .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra