Fandalinana ny BOKY : 1 Samoela
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Novambra 2018
Fandalinana ny BOKY : 1 Samoela
1 Samoela 1,1 - 11
1 [Ny nahaterahan'i Samoela, sy ny nanolorana azy ho an'i Jehovah] Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany zanak'i Jerohama, zanak'i Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa. 2 Ary namporafy izy, Hana no anaran'ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana. 3 Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah. 4 Ary tamin'ny andro namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra. 5 Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba. 6 Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy momba. 7 Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina. 8 Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho? 9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah. 10 Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany. 11 Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.Fandalinana ny BOKY : 1 Samoela
1 Sam 1. 1- 11
Mbola tsy tapitra ny andron’ ny mpitsara eto ary indro anarana mpitsara roa sahady no ambara : Ely sy Samoela . Ireto misy lesona ho antsika .
1-Ratsy mandrakariva ny fampirafesana
Tsy nifampitsinjo ireto mpirafy satria ny iray tsy niteraka no nomena fitiavana misimisy kokoa noho ny iray. Fialonana no nateraka izany ka nahatonga azy handevilevy sy hanorisory mandrakariva ny rafivaviny . Aza adinoina fa taolan-tehezana iray ihany no nalaina ho an ‘ny lehilahy iray ( Gen 2.21).
2-Aza manenji-dresy
Tsy fidiny ho an ‘ i Hana ny tsy niteraka. I Jehovah no maha-momba azy, hoy ny teny eto .Na eo aza fifampialonana eo amin’ny mpirafy dia tsy tsara hatrany ny manenji-dresy . Tonga mpiandany amin’izay enjehinao ny Tompo .Ny anjaranao : Ampaherezo ny reraka ( 1 Tes 5.14).
3- Apetraho amin’ ny Jehovah ny adinao
Tsy ny namely an‘i Penina rafivaviny no nataon’ i Hana fa ny niaraka tamin’ I Elkana vadiny mba ho any Silo .Nalahelo tarehy sy nitomany izy raha nivavaka ary nivoady tamin ‘Andriamanitra mihitsy. I Jehovah tokoa no hiady ho anao fa ianao kosa hangina (Eks 14.14).
Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra .
“Raiso ny Tenin’ Andriamanitra” IAA ( Boky faha-3)