Fandalinana ny Boky 1 Samoela
Mofonaina anio: Alahady, faha 04 Novambra 2018
Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 2.12-26
12 Ary ny zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah. 13 Ary izao no fanaon'ny mpisorona tamin'ny olona: Raha* nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon'ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,[Na: tsy nahalala an'i Jehovah, na ny tokony ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha] 14 dia natsindrony tao anatin'ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin'ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon'ny fitrebika tao dia nalain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin'ny Isiraely rehetra izay tonga tao. 15 Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany. 16 Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny. 17 Ka dia lehibe indrindra ny helok'ireo zatovo ireo teo anatrehan'i Jehovah, satria halan'ny olona ny fanatitra ho an'i Jehovah. 18 Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy. 19 Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha niakatra tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy. 20 Ary Ely nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady. 21 Ary Jehovah namangy an'i Hana, ka dia nanan'anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan'i Jehovah. 22 Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana. 23 Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin'izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo. 24 Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon'i Jehovah ianareo. 25 Raha misy olona manota amin'olona, dia ny mpitsara* no hitsara azy; fa raha misy manota amin'i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak'i Jehovah ny hahafaty azy.[Heb. Andriamanitra] 26 Ary Samoela zaza nitombo, sady tian'i Jehovah sy ny olona koa izy.Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 2.12-26
1-Naditra ny zanak’i Ely mpisorona :
Mangalatra , mametsifetsy olona ,mametaveta olona amin’ny alalan’ny fijangajangana . Tena fanararaotana ny fahefan’ny Mpisorona izany . Vokany : nalaina nanao fanatitra ny olona . Tandremo ny toetrantsika kristianina ; indrindra izay nomena andraikitra hitarika fandrao tonga fanakanana ny olona tsy hanompo an’ Andriamanitra na mitarika azy hanota . Ianao no fahazavan’izao tontolo izao (Mat 5.14)
2- Mbola zaza dia efa nanompo an’iJehovah i Samoela
Voadin’i Hana izany . Koa dia natolony ho an’i Jehovah ny zanany . Nozarina tamin’ny lalana tokony nalehany tokoa i Samoela . Ny reniny koa nandray andraikitra tamin’ny fampitafiana azy mba hahafahany mamita ny fanompoany .Enga anie ianao ray aman-dreny mba hahavita ny voadinao teo amin’ny Batisa ka tena hanolotra ny zanaka ho an’ Andriamanitra . Enga anie ny zaza rehetra mba hazoto hivavaka sy hanolotena ho an’ Andriamanitra . Ho zaza mitombo sady tian’i Jehovah sy ny olona toa an’i Jesoa sy i Samoela ( 1 Sam 2.26/ Lio 2.52).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra