Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Novambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela  6.1-13
1 Ary ny fiaran'i Jehovah dia tany amin'ny tanin'ny Filistina fito volana. 2 Ary ny Filistina nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika amin'ny fiaran'i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any amin'ny fitoerany. 3 Ary hoy ireo: Raha aterinareo ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo koa izay tsy ialan'ny tànany aminareo. 4 Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan'ireo andrianan'ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo. 5 Koa manaova sarin'ny vainareo sy sarin'ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo Izy. 6 Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian'ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa? 7 Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin'ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy. 8 Ary alao ny fiaran'i Jehovah, ka apetraho eo ambonin'ny sariety, dia ataovy ao anaty vata kely eo anilany ny fanaka volamena haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka ampandehano izany. 9 Ary izahao, ka raha miakatra amin'ny lalana mankany amin'ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin'izay hanjo antsika. 10 Dia nataon'ny olona izany, ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin'ny sariety ireo, fa ny zanany narindriny tao an-trano. 11 Dia napetrany teo ambonin'ny sariety ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely ary ny totozy volamena sy ny sarin'ny vay. 12 Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin'ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin'ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary ireo andrianan'ny Filistina nanaraka azy hatramin'ny fari-tanin'i Beti-semesy. 13 Ary ny Beti-semesita nijinja ny vary tritika teny an-dohasaha; ary nanopy ny masony izy ka nahita ny fiara, dia faly raha nahita izany.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela  6.1-13

1- Aleon’ny  Filistina  sampy tsy  mahavonjy  toy izay i Jehovah

Na dia naneho  ny heriny teo anatrehan’izy ireo  sy nanimba ny  sampiny  aza i  Jehovah  dia mbola nanao  izay ialan’i Jehovah teo amin’ny taniny ihany izy . Toy  ireo olona tao  Gadarena izay nalahelo ny kisoany ka nandroaka an’i Jesoa (Mar 5.7). Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao dia hiadana (Joba 22.21) fa aza manilika .

2-Jehovah manao izay hahafantaran’ny Jentilisa Azy.

Very hevitra  ny Filistina . Mino  anefa izy  fa afaka hibaiko  ny  omby amin’izay tiany hitondrana azy i Jehovah . Indro fa naverin’ny omby  any amin’ny làlana mankany amin’ny tanin’Israely tokoa ny  fiara. Irin’ Andriamanitra hahalala ny heriny izao tontolo izao . Mitoria ny Filazantsara hahatanteraka izany .

3-Aza ambakain’ny  omby 

Tsy nania na ho  amin’ ny ankavia na ho amin’ny ankavanana ny omby raha nitondra ny fiara . Ny olona kosa matetika dia mania , ka tsy manaraka ny lalana atoron’ Andriamanitra halehany . Te-hitarika  anao foana ny Tompo  ka hiteny  hoe: « ity  no làlana ka andehano » (Isa 30.21)

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra