Fandalinana ny Boky 1 Samoela
Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Novambra 2018
Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 9.1-14
1 [Ny nanendrena an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary nisy lehilahy avy amin'ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Zerora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe. 2 Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny Zanak'Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany. 3 Ary very ny borikivavin'i Kisy, rain'i Saoly. Dia hoy Kisy tamin'i Saoly zanany: Mitondrà zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky. 4 Dia nandeha namaky ny tany havoan'i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin'ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray. 5 Ary nony tonga teo amin'ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky intsony. 6 Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin'Andriamanitra amin'iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika. 7 Dia hoy Saoly tamin'ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin'ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an'ny lehilahin'Andriamanitra; ka inona moa no at? amintsika? 8 Dia namaly an'i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, at? an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin'Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika. 9 (Fahiny teo amin'ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.) 10 Dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin'ny tanàna nitoeran'ilay lehilahin'Andriamanitra. 11 Ary raha mbola niakatra teo amin'ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita? 12 Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon'ny vahoaka ao amin'ny fitoerana avo anio; 13 ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin'ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin'ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin'izao no hahitanareo azy. 14 Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin'ny fitoerana avo ka nifanena taminy.Fandalinana ny Boky 1 Samoela
1 Samoela 9.1-14
1-Ny zavatra rehetra miara-miasa hahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra :
Ny fahaverezan’ny borikivavin’i Kisy , rain’i Saoly no fomba nampihaonana an’i Saoly sy i Samoela .Aoka ho an’ Andriamanitra ny fanendrena ny làlanao mba ho sitrany koa no ho tanteraka aminao .
2-Ny fahaverezan-kevitra mahatonga ny olona hila vonjy amin’ Andriamanitra .
Rehefa tsy nahita ny zavatra notadiaviny i Saoly sy ny namany dia ny hila vonjy any amin’i Samoela, mpahita no tao an-tsainy. Indraindray ny olona efa tapi-dàlan-kaleha vao mahatsiaro an’ Andriamanitra . Tsy tokony ho amin’i Jehovah tokoa ve no hila saina ny olona ?(Isa 8.19).
3-Lehilahy malaza amin’ny hatsarana i Samoela :
Malaza izy satria tanteraka izay lazainy , ary afaka manoro ny olona izay tokony hataony.Ny fahatsaran’ny fifandraisan’i Samoela amin’ Andriamanitra no mahatonga azy hanompo mendrika toy izany .Raha tsara laza amin’ny finoana toy ny tao Tesalonika ihany koa isika dia ho maro no voasarika hino an’ Andriamanitra (1 Tes 1.8).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra