Fandalinana ny Boky: 1 Samoela

Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Novambra 2018

Fandalinana ny Boky: 1 Samoela

1 Samoela 11.1-15 
1 [Ny nandresen'i Saoly ny Amonita, sy ny nanavaozana ny fanjakana] Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin'i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin'i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay. 2 Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany. 3 Fa hoy ny loholon'i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay. 4 Dia tonga tany Gibean'i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan'ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany. 5 Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy. 6 Dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran'i Saoly, raha nandre izany teny izany. 7 Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an'i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy. 8 Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan'ny Zanak'Isiraely, ary telo alina no isan'ny lehilahy amin'ny Joda. 9 Ary hoy izy tamin'ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin'ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin'ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo. 10 Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo. 11 Ary nony maraina, dia nozarain'i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin'ny toby tamin'ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan'ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin'ny roa aza. 12 Ary hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty. 13 Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan'i Jehovah famonjena teo amin'ny Isiraely. 14 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any. 15 Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely.

Fandalinana ny Boky: 1 Samoela

1 Samoela 11.1-15 

1-Te-hifanaran-tsaina amin’ny fahavalony ny mponin’i Jabesi-Gileada:

Heveriny fa ny fanekeny hanompo fahavalo no ahitany fandriampahalemena. Be koa ny diso hevitra ka mifanaraka amin’i satana(sampy)mba tsy hampijaliany . Tandremo anefa fa ny hahatonga anao ho kristiana  fandatsan’olona sy manala baraka an’ Andriamanitra no tadiaviny .

2-Mampihetsika ny olona manana ny Fanahy ny fandrahonan’ny fahavalo Ny fahenoan’i Saoly  ny fikasan-dratsin’ny Amonita hanapotsitra  ny  mason’olona ao Jabesi-Gileada no nampirehitra ny fahatezerany sy nivononany hiady amin’izy ireo . Ny  fahitantsika an’izao tontolo izao , izay potehin’i satana ve tsy tokony hanetsika  antsika hitory ny Filazantsara ? Tohero i satana (1 Pet 5.9)

3-I Jehovah no ekena fa tena Mpamonjy 

Te-hamaly  faty  an’ireo izay nanivaiva  an’i Saoly ireo mpomba azy .Noheveriny  fa i Saoly no tena mpamonjy ka mila aringana ny fahavalony. Tsia,i Jehovah no tena Mpamonjy ary iraka hamonjena ny Israely rehetra i Saoly . I Jesoa koa dia tena Mpamonjy anao, aza mitoky amin’ny olona na amin’ny anaram-piangonana.

Raiso Ny Tenin’ Andriamanitra