Fandalinana ny  Boky 1 Samoela 

Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Novambra 2018

Fandalinana ny  Boky 1 Samoela 

1 Samoela 14.11-22
11 Dia niseho tamin'ny miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny. 12 Ary ny miaramila namaly an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara et? aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Isiraely izy. 13 Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany. 14 Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin'ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera. 15 Koa nisy hovitra tao amin'ny toby tany an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin'ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin'Andriamanitra. 16 Ary ny mpitilin'i Saoly ao Gibean'ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany. 17 [Ny nanenjehan'i Saoly sy ny Isiraely ny Filistina, sy ny nampianianan'i Saoly ny olona, ary ny zavatra niseho avy tamin'izany] Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo. 18 Dia hoy Saoly tamin'i Ahia: Ento et? ny fiaran'Andriamanitra (fa teo amin'ny Zanak'Isiraely ny fiaran'Andriamanitra fahizany*).[Na: Ento et? ny efoda. (Fa nisalotra ny efoda teo anatrehan'ny Isiraely izy fahizany.)] 19 Ary raha Saoly mbola niresaka tamin'ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba ter? an-tobin'ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin'ny mpisorona: Aoka ihany. 20 Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany. 21 Ary ny Hebreo izay teo amin'ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin'ny tany manodidina dia nikambana tamin'ny Isiraely izay teo amin'i Saoly sy Jonatana koa. 22 Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.

Fandalinana ny  Boky 1 Samoela 

1 Samoela 14.11-22

1-Mampahavokatra ny ezak’ireo mandray andraikitra Izy

Tena nahafoy ny heriny sy ny ainy ho an’ny firenena i Jonatana sy ny namany (and13) ary mila manao sy maka tahaka izany isika. Fahavalo resy i satana sy ny  miaramilany ka tsy tokony hampivala-ketraka . Efa nanome toky i Jesoa fa « efa nahatesy izao tontolo izao Izy« (Jao 16.33b). Amin’izay andraikitra raisintsika sy voa afafintsika hahatorotorony fahavalo ary hampiray hina ny vahoakan’ Andriamanitra rehetra.Tena « Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy »(Sal 46.1)

2-Miady ho an’ny olony Izy 

Mahavariana ny  mamaky  ity tantara ity. Ampahany kely fotsiny tamin’ny Filistina no nifanandrinan’i Jonatana .Fa ny tena naharesy ireto Filistina ireto dia asan’ Andriamanitra mivantana.Niditra an-tsehatra Izy ka nataony nifamely sy nifandringana tao izy samy Filistina . Moa tsy mampahatsiaro antsika ny nanaovan’ Andriamanitra ny Egyptiana izay nanenjika ny Zanak’ Israely ve izany ? « I Jehovah hiady ho anareo » (Eks 14.14) . I Jesoa kosa no efa niady ho antsika ary nahazo ny fandresena taminn’y nitsanganany. Matokia!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra