Fandalinana ny Boky 1 Samoela

Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Novambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 16.1-13
1 [Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho. 2 Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho. 3 Ary antsoy Jese mba ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao. 4 Ary Samoela nanao izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao? 5 Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra. 6 Ary nony tonga ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah tokoa ity eto anatrehany. 7 Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. 8 Ary Jese niantso an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah. 9 Ary Jese dia nampandalo an'i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah. 10 Ary Jese nampandalo fito lahy tamin'ny zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese: Tsy nofidin'i Jehovah ireto. 11 Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto. 12 Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo* izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.[Na: tendron-tava] 13 Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 16.1-13

1-Tsy avelan’ny Tompo hohajambain’ny alahelony  an’i Saoly i Samoela.

Mandrapaoviana no hahalahelovanao an’i Saoly (and1),hoy izy . Koa samia mitandrina fandrao ny fihetsehampontsika izay mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra no manakona ny masontsika tsy hahita ny làlana tian’ny Tompo hizorantsika .

2-Maniraka azy hanosotra mpanjaka vaovao ny  Tompo .

Mbola eo i Saoly , mbola tena eo amin’ny fitondrana izy , saingy tsy manakana ny Tompo , izay tompon’ny tantara , hifidy sahady sy hanosotra sahady ny mpanjaka vaovao izany . Niahotra i Samoela ,kanefa nanolo-tsaina azy ny Tompo, ka dia lasa izy .Isika koa ,Mety heverintsika fa mahatahotra ny làlana , saingy raha mihaino ny tolo-tsain’ny Tompo ao aminn’y teniny isika dia hahery ka handeha.

3-Mpanjaka tsy nampoizina no nofidin’ny Tompo

Nalefa avokoa ireo  zoky sy lehibe tamin’i Jese, saingy nolavin’ny Tompo avokoa . Ilaikely tavela tany an-tsaha no nantsoina fa iny no izy. Antony :tsy mba toy ny fijerin’ny  olona no fijerin’i Jehovah , fa ny olona mijery ny  miseho eo ivelany , fa i Jehovah kosa kosa mijery ny fo »(and7). Inona re no hitan’ny Tompo ao amin’ny foko sy fonao e?Marina amin’ny fitiavana Azy ve?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra