Fandalinana ny Boky 1 Samoela

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Desambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 17.31-40
31 Ary nony ren'ny olona ny teny izay nataon'i Davida, dia nambarany tamin'i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy. 32 Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io. 33 Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany. 34 Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry, 35 dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko. 36 Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy. 37 Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah. 38 Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra*.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano] 39 Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany. 40 Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 17.31-40

Ity perikopa ity  no maneho fa irak’ Andriamanitra i Davida fa tsy irak’i Jese rainy loatra akory.

1-Tsy mihaino ny fanakiviana izy .

Raha marina dia efa indroa izy izao no nokiviana : ny voalohany , ireo zokiny no niteny azy(and28), faharoa , izao tenin’i Saoly izao « Tsy tohanao ny  handeha hiady amin’io Filistina io , satria mbola zaza ianao , fa izy efa mpiady hatrizay niainany  » (and33). Ianao koa, raha te-hijoro ianao, tsarovy fa hisy foana ny mpanakivy . Manaova bemarenina ka mijoro!

2-Nitodika ny lasa izy .

Nambarany tamin’i Saoly mpitari-tafika fa i jehovah izay efa niady ho azy sy namonjy azy tany am-piandrasana ondry no hiady ho azy koa ka hanohitra an’i Goliata sy ny Filistina (and 31-37) .Ary lesona ho antsika izany : todiho ny zavatra efa nataon’ny Tompo taminao  dia havaozin’ny Tompo ny finoana sy ny fatokiana ao anatinao hiatrehanao ny adinao ankehitriny .

3-Nitana ny fahatsoran’ny finoany izy.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra