Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Desambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 17.41-54
41 Ary ilay Filistina nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe. 42 Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo* no tsara tarehy.[Na: tendron-tava] 43 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina 44 sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia et? amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy. 45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46 Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. 47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. 48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina. 49 Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy. 50 Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida. 51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy. 52 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay* sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.[Na: (Gata)] 53 Ary ny Zanak'Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa. 54 Ary ny lohan'ilay Filistina dia noraisin'i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin'ny lainy.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 17.41-54

Davida nandresy an’i Goliata tamin’ny herin’ Andriamanitra sy ny fatokiany Azy . Toy ny Filazantsaran’ny famonjena ho an’i Israely ity tantara ity satria:

1-I Jehovah Andriamanitra  no  miady fa tsy ny miaramila 

Mpiara-miasa amin’ Andriamanitra fotsiny i Davida , nolaviny ny sabatra sy ny lefona(and47). Tsy  misy zavatra tsy hain’ Andriamanitra atao(Mat 19.26). Ary isika koa, rehefa mino dia toloran’ Andriamanitra izay fahefana izay (Mar 9:2,3) ka afaka miatrika sy mandresy ny fahavalo rehetra noho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy .

2-Ny fanolorantenan’i Davida dia sorona ho an’i Saoly sy ny firenena 

Tandindon’ny fanolorantenan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana izany , izay namonjeny ahy sy ianao ary izao tontolo izao manoloana ny herin’i satana. Ny fandresen’i Davida dia tandindon’ny fandresen’i Jesoa ary ny fahafatesan’i Goliata dia tsy inoana tsy akory fa fanehoana fa fahavalo efa resy hatrizay i satana. Koa na feno fihantsiana aza izy ao anaty olana saro-bahana atrehintsika , dia azo resena izy rehefa mino sy vono-kiantehitra amin’ny Fanahy Masina isika (Efa 3.20-21).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3