Fandalinana ny Boky :  1 Samoela 

Mofonaina anio: Talata, faha 04 Desambra 2018

Fandalinana ny Boky :  1 Samoela 

1 Samoela 17.55-58;18.1-9
55 [Ny nitoeran'i Davida tao amin'i Saoly, sy ny nialonan'i Saoly azy] Ary nony nahita an'i Davida nandeha hiady tamin'ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, komandin'ny miaramila: Ry Abnera, zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively. 56 Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na zanak'iza na zanak'iza iny zaza iny. 57 Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan'i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan'ilay Filistina. 58 Dia hoy Saoly taminy: Zanak'iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho.

Fandalinana ny Boky :  1 Samoela 

1 Samoela 17.55-58;18.1-9

1-Fankasitrahana (1 Sam18)

Avy amin’ny  mpitondra izany (and5) ary avy amin’ny vahoaka (and6-7) sy ny namana koa(1Sam18.1).Tsy ny fitadiavana tombotsoa sy ny fankasitrahana anefa no hanaovantsika ny tsara fa ny fitiavan’i Kristy manery antsika (2 Kor 5.14) sy ny fahatahorana an’ Andriamanitra .Fa hoy ny  Apostoly Jakoba: « Izay mahalala hanao  soa nefa tsy manao dia heloka ho azy izany « (Jak 4.17).Andriamanitra no hankasitraka ho amin’ny fiainana mandrakizay .

2-Fankahalana 

Mbola azo avy  amin’ny mpitondra koa izany (and8-9) na ny ankohonana (1Sam 17.28;Mika 7.6b). Tsarovy i Jesoa Ilay Tompon’ny fahatsarana  sy ny fahatanterahana , kanefa tsy nananan’izao tontolo izao  fiantrana(Asa 2.22-23). Zinona moa isika eo anatrehany . Ny  fanamelohana dia fanasaziana ireo mpanao ratsy ,ny fankahalana kosa dia satroboninahitra tsilo noravahan’i Jesoa Kristy (Jao 16.33).Izao tontolo izao manome satroboninahitra sandoka fa ny fiainana mandrakizay no lova sarobidy ho fonenan’ny mino (Mat 5.10-11).

Raiso ny Tenin’ Andriamanitra