Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Desambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 18 .10-30
1 Ary rehefa nitsahatra niteny tamin'i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin'i Davida ny fanahin'i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 18 .10-30

1-« Ary i Saoly natahotra an’i Davida » (and12,15,29)

Ny  tora-defona nataon’i Saoly  sy ny nandefasany azy ho mpitari-tafika mba ho faty any ary ny tetika hanome azy ny zanany vavy  ho vady ka hitakiana mariky ny fahafatesan’ny Filistina 100 lahy  mba hahafaty azy amin’ny ady atao any , dia vokatry  ny tahotra an’i Davida avokoa. Tadidio fa matahotra anao olon’ Andriamanitra ange ny fahavalonao e!

2-I Jehovah nomba an’i Davida » (and12,14,28)

Io no tsiambaratelon’ny hery  sy ny fahombiazan’i Davida ka nahatonga  an’i Saoly hatahotra mafy azy . Niandany taminy ny Tompo . Fa marina tokoa ilay hoe: »Raha Andriamanitra no momba antsika,iza no hahatohitra antsika? » (Rom 8.31) . Tsarovy fa efa toky nomen’i Jesoa antsika koa izany (Mat 28.20).

3-« Ary i Davida dia hita hendry » (and 14,15)

Antony iray lehibe nahatonga an’i Saoly hatahotra an’i Davida koa ny fahendreny tamin’izay rehetra nataony . Tsy hita izay hanakianana azy. Nahomby sy nandresy izy . Tonga tia azy ny olom-peheziny . Mivavaha  mba hananantsika mpitondra  toy izany: feno fahendrena  noho ny finoany ny Tompo ka na fofoina ho faty aza, mijoro ihany!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra