Fandalinana ny Boky 1 Samoela

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Desambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 20.5-23
5 Ary hoy Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva. 6 Koa raha hitan'ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy mianakavy rehetra isan-taona any. 7 Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy. 8 Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho? 9 Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany. 10 Dia hoy Davida tamin'i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao*? [Na: Iza anefa no hanambara amiko, raha tahìny mamaly sarotra anao rainao] 11 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy. 12 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao, 13 dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah. 14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran'i Jehovah mba tsy hahafaty ahy? 15 Ary tsy hesorinao amin'ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan'i Jehovah ny fahavalon'i Davida rehetra tsy ho et? ambonin'ny tany. 16 Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin'ny taranak'i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon'i Davida. 17 Ary Jonatana nampianiana an'i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy. 18 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao. 19 Koa rehefa mby amin'ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin'ilay nierenao tamin'ny andro nitrangan'ilay raharaha iny*, ka mitoera ao anilan'ny vato Ezela.[Izahao xix. 2, 3] 20 Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika. 21 Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento et?, dia avia ianao, fa hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah. 22 Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao. 23 Ary ny amin'ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 20.5-23

Zava-dehibe ny firahalahiana sy ny fifankatiavana .Ilaina hatsaraina sy hamafisina mandrakariva izany fa antoka sy fototry  ny fandovana fiainana mandrakizay ka:

1-Ifampitondrana 

Tombotsoa ifampizarana ny fifankatiavana fa tsy ikatsahana soa ho an’ny tena :mifanampy, mifamonjy ary tsy mifanafinafina,indrindra amin’ny zava-tsarotra hifampaherezana sady tsy hifanalana baraka (Rom12.9-10).Mitaky fifampitokisana ny fitiavana,raha tsy izany mahatonga fahafatesana.

2-Aorina ao  amin’ Andriamanitra  

Ny fitiavan’ Andriamanitra  no marina , madio , masina ary  feno  tanteraka. Fitiavana ao amin’i Jesoa mahafoy ny zavatra rehetra (aina) ho an’ny tiavina.Tsy fitiavana madio ny fifankatiavana tsy hanasana an’ Andriamanitra ho vavolombelona(and 23). Ny fitiavana an’ Andriamanitra no  mampifankatia. Mafy sy matanjaka ka tsy ho levona mandrakizay ny fitiavan’ Andriamanitra(Jer 33.3).Mifamitaka sy mifampihatsaravelatsihy ny mihoatra izany.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra