Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Desambra 2018

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 23.1-13
1 [Ny namonjen'i Davida an'i Keila] Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an'i Keila ka mamabo ny ao amin'ny famoloana. 2 Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin'i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila. 3 Ary hoy ny olon'i Davida taminy: He! at? Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin'ny miaramilan'ny Filistina? 4 Dia nanontany tamin'i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao. 5 Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin'ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin'i Davida ny mponina tao Keila. 6 Ary raha nandositra nankany amin'i Davida tany Keila Abiatara, zanak'i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy. 7 Ary nambara tamin'i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin'ny tanàna misy vavahady mihidy. 8 Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny olony. 9 Ary fantatr'i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona: Ento et? ny efoda. 10 Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankat? Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko. 11 Ka moa ny mponina et? Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina et? va Saoly toy ny efa ren'ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin'ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy. 12 Dia hoy Davida: Ny mponina et? Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan'i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy. 13 Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin'izay azony naleha. Ary nolazaina tamin'i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 23.1-13

1-Tsy hoe: »samy manana ny adiny  » ny tsirairay ka ny an’ny hafa tsy olan’ny tena (and 1-6)

Ny fihetsik’i Davida tsy tafandry mandry teo anoloan’ny fanafihana an’i Keila ,fa nanontany  an’i Jehovah ny amin’ny tokony handehanany hanafika hanavotra azy na tsia (and2,4) dia ohatra tsara ho antsika hiheverantsika ny manjo ny hafa .

2-Manana ny hevitra  iheveran’ Andriamanitra azy ny tsirairay

Ny loza na sarotra  mihatra amin’ny tena ka ankatoavana Azy dia fiadanana sy fahasambarana amin’ny ho avy (Jer 29.11), fa indrindra fitaizana sy fanabeazana antsika. Ao amin’ny lasitry  ny fahoriana iainan’i Davida no hanomanana azy ho lasa mpitondra mahery .

3-Tsy azo atao ny mitompo teny fantatra amin’izay tokony hatao rehetra  fa ny miresaka amin’ny vavaka sy manontany  amin’ny alalan’ny Soratra masina ny Tompo amin’ny fotoana rehetra no laharam-pahamehana (and10-13). Na dia Andriamanitra  sy Zanak’ Andriamanitra  aza i Jesoa dia tsy mba nitsaha-nivavaka sy nivelona tamin’ny Tenin’ Andriamanitra ary nankato izany ka nampihatra amin’ny seha-piainana rehetra . Vokany : azo antoka ny  famonjena .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra