Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 21 Martsa 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 15.25-34 ;16 . 1-7
25 [Ny nanjahan'i Nadaba sy Basa sy Elaha sy Zimry ary Omry tamin'ny Isiraely] Ary Nadaba, zanak'i Jeroboama, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy. 26 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan-drainy sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely. 27 Ary Basa, zanak'i Ahia, amin'ny taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an'ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an'i Gibetona fahizay). 28 Ary Basa nahafaty azy tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy. 29 Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin'i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an'i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia Silonita mpanompony, 30 noho ny fahotana nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin'izay nataony nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 31 Ary ny tantaran'i Nadaba sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany? 32 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany. 33 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Basa, zanak'i Ahia, tamin'ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy. 34 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 15.25-34 ;16 . 1-7

Tian’ny Tompo hosainintsainintsika manokana eto:

1-Ny fahamarinan’ny Tenin’ny Tompo . Tsy nisy nihodivitra mihitsy ny faminaniana ny amin’ny taranak’i Jeroboama nambaran’i Ahia mpaminany voalazan’ny 1 Mpanjaka 14.10-11 : naringan’i Basa ny taranak’i Jeroboama rehetra . I Jeroboama no nanao ratsy , ny taranany avy no niharan’ny fandringanana . Tandremo àry fa ny ratsy ataontsika dia mahatratra ny taranantsika . Ary mariho tsara ny fahatanterahan’ny Tenin’ ny Tompo . Henoy àry ny fampitandremana ataon’i Jesoa raha milaza ny fitsarana ho avy izy (Jao 5.29) fa tsy angano izany .

2-Ny fandinihantenantsika amin’izay ataontsika amin’ny hafa

Ny tantaran’i Basa dia mahavelona eritreritra : izy no fitaovana nanatanterahan’ny Tompo ny teniny tamin’ny fandringanana an’i Jeroboama . Tsy nahay naka lesona tamin’izany anefa izy fa mbola ny fahotan’i Jeroboama ihany no naveriny . Ary izao : izay nataony tamin’i Jeroboama sy ny taranany indray kosa no hatao aminy sy ny taranany ka ho ringana izy. Dia nanontany tena isika rehefa mamaky izany hoe : dia tsy nieritreritra mihitsy ve izy e! Saingy , isika koa , moa ve isika mba mahaeritreritra fa ny ataontsika amin’ny hafa dia mety hatao amintsika koa, satria ny tsy mety nataony ihany no mbola ataontsika koa ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3