Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 20.1-12
1 [Ny nandresen'i Ahaba indroa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin'ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an'i Samada ary namely azy. 2 Ary nandefa iraka ho any amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tany an-tanàna izy 3 hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa. 4 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako. 5 Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin'i Beni-hadada: Naniraka tat? aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy; 6 koa raha maniraka ny mpanompoko ho at? aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao, dia horaisin'ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona. 7 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin'ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tat? amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin'ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko. 8 Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky. 9 Ka dia hoy Ahaba tamin'ny irak'i Beni-hadada. Lazao amin'ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin'ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin'i Beni-hadada indray; 10 ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok'i Samaria amin'ny isan-olona manaraka ahy. 11 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikina tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha. 12 Ary rehefa ren'i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 20.1-12
Na dia efa vita aza ny fanapahankevitry ny Tompo ny amin’izay hasolo an’i Ahaba sy i Beni-hadada dia mbola manohy ny asany ihany aloha izy ireo :
1-I Beni-hadada mihevi-tena ho mahery.
Tonga manjakazaka amin’Israely izy ka mihambo ho tompon’ny haren’ny mpanjakan’Israely mbamin’ny vadiny aman-janany aza. I satana koa dia tsy menatra mihitsy nihambo teo anatrehan’i Jesoa nanao hoe: « Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ny voninahiny , fa efa natolotra ahy izany , ka izay tiako no homeko azy » (Lio 4.6). Raha tsy mitandrina isika dia hangalatra ny harentsika rehetra izy .
2-I Ahaba te-hilomano amin’ny fifandraisana aminy .
Amin’ny lafiny iray dia mahatsiaro ho malemy noho i Beni-hadada i Ahaba, ka raha naniraka voalohany i Beni-hadada dia tsy naneho fanonerana izy , na kely aza . Fa nony tonga kosa fanindroany ka tena hoe: haka izay tiany ny irak’i Beni-hadada , izay izy vao taitra ary namory ieo loholona. Toy ny nataon’i Ahaba dia mety halaim-panahy hitady marimaritra iraisana amin’i satana isika. Tsy hanaiky anefa izy raha tsy babony mihitsy ny fiainantsika manontolo . Ny tenin’ireo loholona dia marina amintsika koa : »Aza manaiky » . Hoy i Petera raha milaza ny amin’ny devoly izy : « tohero izy » (1 Pet 5.9). Ary raha mahatsiaro malemy isika , matokia an’i Jesoa , Ilay « mahery » lazain’ny fanoharana(Lio 11.22).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3