Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 23 Febroary 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 4,1 - 20
1 [Ny amin'ny mpanao raharaham-panjakana, ary ny voninahitr'i Solomona sy ny fahendreny] Ary nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka. 2 Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak'i Zadoka, no mpisorona*; [Na: zanak'i Zadoka mpisorona] 3 Elihorefa sy Ahia, zanak'i Sisa, no mpanoratra; Josafata. zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana; 4 ary Benaia, zanak'i Joiada, no komandin'ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona; 5 ary Azaria, zanak'i Natana, no lehiben'ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak'i Natana, no mpanolotsaina*, sakaizan'ny mpanjaka, [Heb. mpisorona] 6 ary Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak'i Abda, no komandin'ny mpanao fanompoana. 7 Ary Solomona nanendry roa ambin'ny folo lahy ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin'ny herintaona izy. 8 Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin'ny tany havoan'i Efraima; 9 Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana; 10 Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy; 11 Ben'abinadaba tao amin'ny havoan'i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin'i Solomona, no vadiny); 12 Bana, zanak'i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan'i Zaretana, ambanin'i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr'i Jokneama no azy. 13 Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i Jaïra*, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina; [Havota-jaïra; izahao Nom. xxxii. 41] 14 Ahinadaba, zanak'Ido, tany Mahanaima; 15 Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an'i Basemata, zanakavavin'i Solomona; 16 Bana, zanak'i Hosay, tany Asera sy Alota; 17 Josafata, zanak'i Paroa, tany Isakara; 18 Simey, zanak'i Ela, tany Benjamina; 19 Gabera, zanak'i Ory, tany amin'ny tany Gileada, tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin'izany tany izany. 20 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 4.1-20
Hitantsika taratra eto ny santionan’ny fahendren’i Solomona :
1-Nahay nizara andraikitra izy. Ny fisian’ity lisitra lava momba ireo olona niara-niasa taminy ireto dia porofon’ny fahaizany mitaona olona maro handray andraikitra . Ny fivangongoan’ny fahefana eo an-tànan’olo-tokana matetika no heverin’ny olona sasany fa hahamafy orina ny fitondrany . Ny an’i Solomona kosa , ny fizarana andraikitra no antoky ny fahombiazany .
2-Nahay mandamina izy . Marihantsika Nny hoe: nanendry olona 12 lahy izy : iray avy isam-bolana , hiadidy ny fiarakarana ny zavatra rehetra nilain’ny mpanjaka sy ny ankohonany. Vokany : vita kalamina ny herintaona . Paika tsara izany , ary mety ho izany no nahatonga ny fiangonana sasany handamina ny sampana sy sampanasa samy hanana ny anajara iray volana ho azy avy .
3-Nahay nampiadana ny vahoakany izy . Ny fiafaran’ity toko ity dia filazana mahafaly hoe: « mihinana sy misotro ary mifaly » ny vahoaka . Tsy mora mandrakariva ho an’ny mpitondra akory ny hanome fahafahampo ny vahoaka entina . F arehefa ny toy izao no mitranga , izay atao hoe: miadana izy , nba dia marina aza fa tsy ireo akory no antoky ny tena fiadanana.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3