Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Febroary 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 7.13-37
13 [Ny nanaovan'i Solomona ny fanaka momba ny tempoly] Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an'i Hirama avy tany Tyro. 14 Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin'ny firenen'i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin'i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy. 15 Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin'ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy*.[Heb. ny faharoa] 16 Ary nanao kapitaly varahina roa anidina izy hatao eo amin'ny tampon'ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony, 17 ary harato sy fesitona miolana amin'ny kapitaly izay teo amin'ny tampon'ny andry avy: fito amin'ny kapitaly iray, ary fito koa amin'ny kapitaly iray. 18 Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa andalana manodidina tamin'ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin'ny kapitaly iray. 19 Ary ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin'ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony; 20 ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy. 21 Ary ny andry dia natsangany teo amin'ny lavarangana fidirana amin'ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina*; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza**. [*Jakina = Hampiorina izy][**Boaza = Ao aminy no misy hery (?)] 22 Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon'ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin'ny andry. 23 Ary nanao ny tavin-drano* an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy. [Heb. ranomasina] 24 Ary tambanin'ny molotry ny tavin-drano lehibe* manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin'ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe*, ary naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny tavin-drano. [Heb. ranomasina] 25 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe* dia teo ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra. [Heb. ranomasina] 26 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy. 27 Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan'ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony. 28 Ary toy izao ny asa amin'ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin'ny sisiny; 29 ary tamin'ny kobany izay nohodidinin'ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin'ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin'ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona. 30 Ary isan'ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin'ny tavin-drano no nisy ny sorony* anidina manandrify ny fesitona tsirairay. [Na: ary ny tongony efatra dia tonga sorony] 31 Ary ny vavan'ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin'ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin'io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin'ny faladia, ary tamin'ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory. 32 Ary ny kodia efatra dia teo ambanin'ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin'ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon'ny kodia. 33 Ary ny fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa. 34 Ary nisy sorony efatra tamin'ny zorony efatra amin'ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin'ny fitoeran-tavin-drano ireo. 35 Ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy. 36 Fa ny koban'ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona ary hazo rofia*, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina. [palma] 37 Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 7.13-37

Mampihaingo ny anatin’ny tempoly i Solomona eto.Mampahatsiaro ny zava-nitranga tamin’ny nanaovana ny tabernakely tany an-tany efitra ny tantara eto:

1-Tamin’ny nanaovana ny tabernakely nankinina tamin’i Bezalila ny asa. Izy io dia ny Tompo mihitsy no nanolotra azy hanao ny asa sady nilaza hoe: « efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny taozavatra samy hafa (Eks 31.3). Manana olona efa nomeny fanomezam-pahasoavana ho an’ny asany rokoa manko Andriamanitra.

2-Eto amin’ny fanaovana ny tempoly nankinina tamin’i Hirama ny asa. Izy koa dia feno fahendrena sy fahiratan-tsaina hahavitany ny asa varahina rehetra »(and14).Mampianatra antsika izany fa tena misy olona manokana asain’ny Tompo manao asa manokana eo amin’ny fiangonany . Tsy tokony hiteraka fialonana ho antsika izany , raha tsy isika io olona io ary tsy tokony hiteraka fireharehana izany , raha isika io olona voafidy manokana io . Fa ny fahaizana ananantsika , ento hanompoana an’ Andriamanitra , fa nomeba antsika izany matoa manana isika . Ary matoa nomena antsika izany dia misy asa ilan’ Andriamanitra antsika ao.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3