Fandalinana ny boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Febroary 2019

Fandalinana ny boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 1.22-37
22 Ary raha mbola niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, dia. indro, niditra koa Natana mpaminany. 23 Ary nisy nanambara amin'ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany. 24 Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako. 25 Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak'omby mifahy sy ondry aman'osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny komandin'ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka! 26 Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy. 27 Moa avy tamin'ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao? 28 Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankat? amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany 29 Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin'ny fahoriana rehetra, 30 dia tahaka ilay nianianako tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio. 31 Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko! 32 Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankat? amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak'i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy telo lahy. 33 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midina any Gihona izy. 34 Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka! 35 Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda. 36 Ary Benaja, zanak'i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko. 37 Toy ny nomban'i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an'i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan'i Solomona.

Fandalinana ny boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 1.22-37

Mihazakazaka ny fandehan’ny toe-draharaha manoloana ny fanandratan-tena ho mpanjaka nataon’i Adonia .

1-Nandray andraikitra i Batseba sy i Natana

Notanterahiny ny zavatra nifanarahany : niteny i Batseba ary tonga nanamafy ny teniny i Natana . Sarobidy ny toy izany . Indraindray manko ny tetika iaraha-manomana fa rehefa hatao tokoa , mihemotra ny sasany . Ianao koa, sahia mandray andraikitra.

2-Nitana ny teny nomeny i Davida. Tsy nivadika tamin’ny teny efa nataony izy : i Solomona zanany tamin’i Batseba no ho mpanjaka nandimby azy. Koa nandray andraikitra avy hatrany izy ho fampiharana izany . Mivavaha mba hananantsika mpitondra fanjakana mahatoky toy izany : olona tsy mivadika amin’ny teny nataony ary sahy miroso tsy misy hataka andro amin’ny fanatanterahana izany .Mariho fa fanapahankevitra lehibe tsy maintsy natao maika izany ary sahy nanao izany i Davida na dia efa antitra aza.

3-Nijoro ho sakaiza mahatoky ireo mpiara-miasa amin’i Davida. Nomen’i Davida baiko hampanjaka an’i Solomona izy ireo ary nanaiky hanatanteraka izany .Mivavaha mba hisian’ny sakaiza mahatoky toy izany hiara-miasa amin’ny mpitondra fanjakana mba ho voasoroka ny loza eto amin’ny firenena .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3