Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 21 Febroary 2019
1 Mpanjaka 3.1-15
1 [Ny nanambadian'i Solomona ny zanakavavin'i Farao, ary ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona, sy ny nangatahany fahendrena] Ary Solomona tonga vinanton'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin'i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan'i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon'i Jehovah ary ny màndan'i Jerosalema manodidina. 2 Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an'ny anaran'i Jehovah hatramin'izany andro izany. 3 Ary Solomona tia an'i Jehovah ka nizotra araka ny dian'i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany. 4 Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza*; ka fanatitra dorana arivo no naterin'i Solomona teo amin'izany alitara izany.[Heb. lehibe] 5 Tao Gibeona no nisehoan'i Jehovah tamin'i Solomona tamin'ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao. 6 Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin'ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian'ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany tahaka ny amin'izao anio izao. 7 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra. 8 Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin'ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany. 9 Koa omeo ahy mpanomponao saina malady* ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao? [Heb. fo mihaino] 10 Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan'i Solomona izany zavatra izany; 11 ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao, 12 dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao. 13 Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy* mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy] 14 Ary raha handeha amin'ny lalako ianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan'i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao. 15 Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 3.1-15

Tantara malaza ity novakintsika ity , dia ny amin’ny nanontanian’ny Tompo  an’I Solomona hoe:”Angataho izay tianao homeko anao” (and5) ka nangatahiny  fahendrena . Fa inona izany fahendrena izany ?

1-Ny tsy fihazakazahana any  amin’ny zava-tsy izy.

Samy tsy izy  avokoa , izany hoe : samy tsy  voatery hahasoa mandrakariva na ny  fahaelavelona na hy harena na ny fandresena ny fahavalo…Fa hatao inona ny ho ela velona ao anaty fahoriana , ohatra ? Na hatao inona harena hiainana ao  anaty tebiteby ? Na hatao inona fandresena fahavalo  iandrasana ny valifatiny  indray andro any ? Tsy fahendrena ny mihazakazaka hahazo izany .

2-Ny fifidianana ny  fo mahay  mihaino . Izany  no  hevitry ny tenin’I Solomona hoe:” Koa omeo ahy  mpanomponao  saina malady ho entiko  mitsara ny olonao  hahaizako  manavaka ny soa sy ny ratsy “ (and9). Ny fanekena hihaino an’ Andriamanitra sy ny sitrapony ihany manko  no tena andraisana ny fahazavan-tsaina sy fahazavam-piainana amin’izay hatao.”Fa I Jehovah no manome fahendrena . Avy  amin’ny vavany  no iavian’ny  fahalalana sy ny fahazavan-tsaina “ (Ohab 2.6). Ary mahafinaritra fa rehefa ananana izany fahendrena izany , na ny tsy nangatahin’I Solomona aza dia nomen’ny Tompo azy maimaimpoana . Koa mahaiza mifidy rehefa mangataka (Jak 1.5).

“Raiso ny Tenin’ Andriamanitra” Boky faha-3