Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Talata, faha 26 Febroary 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 6.15-38
15 Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon'ny trano. 16 Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin'ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin'ny vodirindrina ka hatramin'ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masina indrindra. 17 Ary ny lavan'ny ati-trano lehibe teo anoloan'io dia efa-polo hakiho. 18 Ary ny sedera amin'ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho. 19 Nanisy efitra anatiny tao anatin'ny trano izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i Jehovah. 20 Ary teo anoloan'ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara. 21 Ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin'ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan'ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara. 22 Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa. 23 Ary tao anatin'ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa. samy folo hakiho avy no hahavony. 24 Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin'ny tendron'elany anankiray ka hatramin'ny tendron'elany anankiray. 25 Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy: 26 Folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray. 27 Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano. 28 Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima. 29 Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia* ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.[palma] 30 Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin'ny efi-trano anatiny, na ny teo amin'ny ati-trano lehibe. 31 Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.[palma] 32 Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia* ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.[palma] 33 Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin'ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano. 34 Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy. 35 Ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany. 36 Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin'ny vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana izy. 37 Tamin'ny volana Ziva tamin'ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah. 38 Ary tamin'ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 6.15-38

Nofintinina eto ireo 7 taona nanaovana ny tempoly :

1-Asa voakaly no natao: Ny refy samihafa nomena antsika tamin’izao fitantarana izao dia milaza fa tsy asa peta-toko fa voakajy fatratra avokoa no natao. Andriamanitra tokoa manko dia « tsara sady mpanao ny tsara »(Sal 119.68) ka mendrika ny hanolorana ny tena tsara . Fanairana antsika izay indraindray alaim-panahy hanatsotsotra ny zava-panahy ho an’ny Tompo izany , ka ny asan’ Andriamanitra indray no lesoka raha mitaha amin’ny an’izao tontolo izao.

2-Asa sarobidy no natao . Miverimberina ny hoe: « nopetahana takela-bolamena » . Fantatra ny hasarobidin’ny volamena ary iaraha-mahalala ny famirapiratany . Ny trano dia natao haneho ny fiandrianan’ Andriamanitra , Ilay mpanjakan’ny mpanjaka . Mba mahatsiaro izany ve isika rehefa miditra ao amin’ny trano fivavahana ? Fa indraindray , hadinon’ny mpivavaka izany fiandrianan’ Andriamanitra lehibe izany ka tsy ampy fanajana ny tranon’ Andriamanitra izy . Mivavaha ho an’ireo rehetra manitatra trano fiangonana na vao manorina mba samy hahavita izany toy ny nataon’i Solomona teto. Fa tsy hoe mpanjaka izy ka nahavita azy , fa tsarovy ny salamo tokana voalaza ho nataon’i Solomona , ny Sal 127.1.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3