Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 7.38-51
38 Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin'ny fitoerany folo. 39 Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe* nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.[Heb. ranomasina] 40 Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah: 41 dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy, 42 ary ny sarin'ampongabendanitra efa-jato ho amin'ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry avy, 43 ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin'ny fitoerany 44 ary ny tavin-drano lehibe* iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo teo ambaniny. [Heb. ranomasina] 45 ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon'i Hirama ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'1 Jehovah, dia varahina manganohano avokoa. 46 Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana. 47 Ary tsy nolanjain'i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan'ny varahina. 48 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin'ny tranon'i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran'ny mofo aseho, 49 ary ny fanaovan-jiro, dimy amin'ny ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa; 50 ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa. 51 Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 7.38-51
Resahina betsaka eto ireo fanaka samihafa ao amin’ny tempoly:
1-Fanaka novolavolaina fatratra ireo .
Mampahatsiaro antsika ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny asan’ Andriamanitra amintsika izany . Fa isika koa tahaka an’i Paoly dia « fanaka voafidy« (Asa 9.15). Koa tahaka ny nataony tamin’i Paoly , izay nazerany teo an-dàlamben’ny Damaskosy dia navelany ho jamba 3 andro aloha , vao natao batisa vao nirahiny (Asa 9.3-20) dia mamolavola antsika amin’ny fomba samihafa koa ny Tompo.
2- Fanaka masina ireo .
Ny nisy tao amin’ny tempoly dia fanaka varahina sy volamena .isika kosa, fanaka hafa noho izany , dia araka ny nolazain’i Paoly hoe: « Fa ao an-trano lehibe , tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao , fa fanaka hazo sy tany koa , ny sasany omem-boninahitra , ary ny sasany alam-baraka. Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny (mpampianatra sandoka ireny ) dia ho fanaka omem-boninahitra izy , efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo , voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra » (2 Tim 2.20-21). Aoka àry isika hahajoro tsara toa an’i Timoty , ary mivavaha mba ho maro ny mpanompon’ Andriamanitra ato amin’ny fiangonana ho fanaka omem-boninahitra toy izany koa.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3