Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 8.22-40
22 Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra 23 ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin'ny lanitra ambony na amin'ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra, 24 sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain'ny vavanao izany dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao. 25 Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako. 26 Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida raiko mpanomponao. 27 Andriamanitra va dia honina et? an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! 28 Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao anio, 29 mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity. 30 Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka. 31 Raha misy olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity izy, 32 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany. 33 Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin'ity trano ity izy, 34 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao ny razany izy. 35 Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria ampahorinao, 36 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao. 37 Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina, 38 izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian'ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy 39 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona rehetra), 40 mba hatahorany Anao amin'Izay andro rehetra hiainany et? amin'ny tany nomenao ny razanay.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 8.22-40
Taorian’ny teny fitokanana dia nivavaka i Solomona :
1-Vavaka fampahatsiahivana (and22-26).

Naverin’i Solomona indray ireo teny fikasan’ny Tompo , toy ny nampahatsiahiviny Azy araka ny faminanian’Isaia aty aoriana hoe: « ianareo mpampahatsiaro an’i Jehovah , aza mangina » (Isa 62.6).
2-Vavaka ho an’ny trano natao( and 27-29) .
Izany no tena fanamasinana ilay trano ho fonenan’ny Anaran’ Andriamanitra , ka ny vavaka hataon’Israely dia hatao « manatrika » ity trano ity hanambarana ny fitodihana amin’Izy Tompo (and29).
3-Vavaka ho an’ Israely .Izany izao tapany voalohany amin’ny vavaka nataony izao , tahaka ny vavaka nataon’i Jesoa ihany raha nivavaka ho an’ny mpianany Izy aloha (Jao 17.6-19). Tena mila entina am-bavaka manko ny vahoakan’ Andriamanitra . Ary mariho fa ny mpanjaka no mivavaka ho an’ny fireneny eto . Lesona ho an’ny mpitondra rehetra izany .
4-Vavaka fifonana . Manintona ny saina ny mihaino ity vavak’i Solomona ity fa vavaka fifonana no tena mibahana ato : fangatahana famelankeloka ho an’Israely eo anoloan’ny zava-mafy mety hiseho , rehefa mivavaka , mifona ary « miala amin’ny fahotany » izy (and35)
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3