Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Talata, faha 05 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 8.41-53
41 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao izy 42 (fa ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity, 43 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity. 44 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalon'ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin'i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao izy, 45 dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy. 46 Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia ho entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tanin'ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky. 47 ary mahatsiaro any amin'ny tanin'ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy. 48 ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin'ny tanin'ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao, 49 dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy; 50 eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin'izay mamabo azy izy, dia ny hamindran'ireo fo aminy; 51 fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, 52 mba hihiratan'ny masonao amin'ny fifonan'ny mpanomponao sy ny fifonan'ny Isiraely olonao hihaino azy amin'izay rehetra iantsoany Anao. 53 Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an'i Mosesy mpanomponao tamin'ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 8.41-53
Tohin’ny vavaka tamin’ny fitokanana ny tempoly no hitantsika eto :
1-Vavaka ho an’ny vahiny (and41-43). Tena filazantsara ho an’ny firenena antsoina hoe: jentilisa izany hoe: tsy Jiosy ity vavaka ity , fa manambara ny fahasoavan’ Andriamanitra ataony mahatratra ny firenena rehatra. Koa io tempoly io dia tsy ho an’ny Jiosy ihany fa ho an’ny olona rehetra. Ary sambatra isika fa i jesoa no tena tempoly ho antsika ankehitriny (Jao 2.21). Isika koa heniky ny famonjeny .
2-Vavaka fifonana indray (and44-53) . Marina fa tao anatin’ny fandriampahalemana tanteraka no nahavitan’ny tempoly. Fantatr’i Solomona anefa fatsy maintsy hisy ihany ady ary mety hisy loza koa aza ny fahababoana. Vavaka fangatahana famindrampo sy famelan-keloka ho an’ Israely momba izany no nataony. Ary moa tsy mampahatsiaro antsika ny vavaka nataon’i Jesoa koa ve izany ? F a hoy Izy mantsy an’i Petera: « indro satana efa nilofo nitady anareo hokororoiny toy ny vary , nefa izaho nangataka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao » (Lio 22.31-32).
3-Vavaka miorina amin’ny fifidianan’ny Tompo . Izay manavaka ity
ampaham-bavaka ity dia noho izy mampahatsiahy ny fifidianan’ny Tompo manokana ny Israely (and51,53) « fa olonao sy lovanao izy » .Ary koa » Fa Ianao Jehovah Tompo ô no manavaka azy tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ho lovanao ».
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3
3vavaka miorina amin4ny fifidianan4ny tompo ; izay manavaka ity
ampaham6bavaka ity dia noho izy mampahatsiahy ny fifidianan4ny tompo manokana
ny israely 5and(&?(« °