Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alarobia, faha 06 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 8.54-66
54 Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon'i Solomona tamin'i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin'ny alitaran'i Jehovah izay efa nandohalehan'ny lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin'ny lanitra izy. 55 Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin'ny feo mahery hoe: 56 Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an'ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin'izay teny soa rehetra nampilazainy an'i Mosesy mpanompony. 57 Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy, 58 mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin'ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika. 59 Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan'i Jehovah izany ho ao amin'i Jehovah Andriamanitsika andro aman'alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan'andro, 60 mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy. 61 Ary aoka ho marina amin'i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin'ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin'izao anio izao. 62 Ary ny mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo anatrehan'i Jehovah. 63 Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an'i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny Zanak'Isiraely rehetra ny tranon'i Jehovah. 64 Ary androtr'io ihany no nanamasinan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana. 65 Ary tamin'izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin'ny folo andro. 66 Ary nony tamin'ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'i Jehovah tamin'i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 8.54-66
Ny famaranana ny fitokanana no hitantsika eto ka nanamarika izany :
1-Ny firavoravoana lehibe . Fiderana an’ Andriamanitra sy fifaliambe no atao 14 andro be izao . Eny! mendrika izany ny Tompo ary rariny raha mifaly ny vahoaka taorian’ny ezaka rehetra namitana ity trano lehibe ity. Faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah » (and66)
2-Ny fifamatoram-pisiana amin’ny Tompo . Hoy ny and 57: « Jehovah Andriamanintsika anie no amintsika ? tahaka ny tamin’ny razantsika ? aoka tsy handao na hahafoy antsika izy » .Ary hoy kosa ny setriny eo amin’ny and61 : »Ary aoka ho marina amin’i Jehovah Andriamanintsika anie ny fonareo , handehananareo amin’ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny » . Tsy mahazo mandeha ila mantsy ny finoana , fa ny Tompo irina , tsy handao ary ny olona koa manaiky tsy handao , izay vao tafaraka tsara.
3-Ny fitoriana ny Anaran’ny Tompo . Hoy ny and 60 : » mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa Jehovah no Andriamanitra fa tsy misy afa-tsy Izy ».Tsy azontsika adinoina mihitsy izany , ny antom-pisian’ny fiangonana dia ny hanao mpianatra ny firenena rehetra, araka ny baiko navelan’i Jesoa raha hiakatra any an-danitra Izy (Mat 28.19).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3