Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Martsa 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 9.1-9
1 [Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Ary rehefa vitan'i Solomona ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao, 2 dia niseho tamin'i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona. 3 Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin'ity mandrakariva ny masoko sy ny foko. 4 Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao tamin'ny fahitsian'ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, 5 dia hampitoeriko mandrakizay amin'ny Isiraely ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao. 6 Fa raha miala amin'ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany, 7 dia hofongorako tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an'ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin'ny firenena rehetra; 8 ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan'izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity? 9 Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ary nikikitra tamin'andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran'i Jehovah izao loza rehetra izao taminy.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 9.1-9

Taorian’ny vavaka nataon’i Solomona dia tonga ny valimbavaka. »Mpihaino vavaka  » tokoa manko ny Andriamanintsika (Sal 65.2) . Minoa izany dia mazotoa mivavaka . Inona avy àry no valitenin’ny Tompo ?

1- Fitsofan-drano ny trano natao (and3). Hoy ny Tompo :« Efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay ary ho amin’ity mandrakariva ny masoko sy ny foko » . Fatratra izany ary ho tsapantsika amin’ny trano fiangonana rehetra anie izany .

2-Fanamafisina ny finoan’i Solomona (and4-5). Naverin’ny Tompo taminy indray izay takiny aminy : »hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko« . Tsy misy finoana marina ivelan’ny fanarahana ny Tenin’ Andriamanitta sy ny fankatoavana izany . Fa raha mbola mitoetra amin’ny teniny isika dia mitoetra ao amin’ny fitahiana.

3-Fampitandremana ny amin’ny fivadihana (and 6-9). Amin’ny fomba mahitsy sy hentitra no anambaran’ny Tompo fa raha alaim-panahy hiala Aminy ny Israely dia hofongorany . Ary ny mampalahelo tsy latsaka noho izany , ity trano lehibe tsara be vao nitokanana ity horavan’ny Tompo ho fandatsan’ny jentilisa. Ny tohin’ny tantara indrisy dia nampiseho fa tsy nahatandrina izany izy ireo ka voa.

2-