Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Martsa 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 11.1-13
1 [Ny nivilian'i Solomona namporafy maro, sy ny nanompoany sampy, ary ny namalian'Andriamanitra azy] Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin'i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita, 2 dia vehivavy avy amin'ny firenena izay nolazain'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin'ireo no niraiketan'ny fitiavan'i Solomona. 3 Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo. 4 Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy. 5 Fa Solomona nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita. 6 Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy. 7 Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona. 8 Ary toy izany koa no nataony ho an'izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny. 9 Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa 10 sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy. 11 Ka dia hoy Jehovah tamin'i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao. 12 Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy. 13 Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 11.1-13

Taorian’ny famirapiratana tsy hay lazaina dia tonga eo amin’ny takila faran’izay maizina isika:

1-Nanambadimbady foana i Solomona . Olona efa voalaza mazava fa nadraran’ny Tompo hoe aza vadina no mbola nangalany vady ihany (and1-2)…vady 700+300=1000 be izao . Nanoratra ny « Tononkira tsara indrindra » momba ny fitiavana izy , kanefa tsy nahay nitandro ny fitiavana tsara . Indrisy! mila mitandrina fatratra isika fa hirika mety handavantsika ny Tenin’ Andriamanitra ny fanambadiana olona tsy araka ny sitrapony : havana akaiky tsy tokony hovadina , na olona tsy mpino efa fantatra toetra na vadin’olona nangalarina…

2-Lasa nanompo sampy i Solomona . Izao sampy samihafa izao dia nanaovany fanatitra avokoa, rehefa antitra izy (and4). Mampalahelo izany : antitra indray vao misary adala , ary ny adidy voalohany amin’ny Didy folo mihitsy no nohitsakitsahiny (Eks 20.3). Tandremon’ny lehilahy fa mody malemy ny vehivavy , nefa vehivavy no nampihinana an’i Adama ny voankazo nandrarana (Gen 3.9 )Vehivavy no nampanota fatratra an’i Ahaba mpnjaka (vakio 1 Mpanj 21.25) ary vehivavy no nahasolaka an’i Solomona , ilay mpanjaka « hendry » teto ka nirehitra taminy ny fahatezeran’ny Tompo (and 9-13) .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3