Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Talata, faha 12 Martsa 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 11.14-25
14 Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an'i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan'ny mpanjakan'i Edoma. 15 Fa rehefa nanafika an'i Edoma Davida, ary Joaba, komandin'ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany 16 (fa enim-bolana no nitoeran'i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany), 17 dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin'izay. 18 Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa. 19 Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason'i Farao, ka dia ny rahavavin'i Tapanesa, vadin'ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny. 20 Ary ny rahavavin'i Tapanesa niteraka zazalahy tamin'i Hadada, dia Genobata, izay notazan'i Tapanesa tao an-tranon'i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin'ny zanakalahin'i Farao tao an-dapa. 21 Ary rehefa ren'i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady maty koa Joaba, komandin'ny miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho hody any amin'ny tanin-drazako. 22 Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao at? amiko, no dia mitady hody any amin'ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho. 23 Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an'i Solomona, dia Rezona, zanak'i Eliada, izay efa nandositra an'i Hadadezera tompony, mpanjakan'i Zoba. 24 Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao. 25 Ary izy koa dia fahavalon'ny Isiraely tamin'ny andron'i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon'i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 11.14-25
Tezitra ny Tompo . Inona àry no hataony ?
1- Nanapa-kevitra hanala ny fanjakana amin’i Solomona Izy (1Mpanj 11.1-13). Ny teny izay novakintsika omaly no efa nahitantsika izany . Ary lesona makadiry ho an’ny mpitondra fanjakana izany . Fa Andriamanitra no Tompon’ny fahefana . Fahefana ampindraminy eo an-tànan’ny mpitondra. Raha tsy mifanaraka amin’ny hevitr’izy tompony ny ampiasana izany fahefana izany , dia azony esorina izany .
2-Nanangana fahavalo hiady amin’i Solomona Izy .
Nitsangana ho fahavalon’ Andriamanitra tamin’ny nanotany i Solomona ary nanangana fahavalo hiady aminy kosa Andriamanitra . Ny fahavalo hitantsika eto dia ireo izay efa niotrika ela tamin’ny andron’i Davida rainy , saingy tsy afa- nikofoka satria mahery i Davida. Izao kosa , nipongatra daholo indray ireo ka tonga loza ho an’i Solomona sy ny fanjakany . Ny Oha 16.7 dia milaza hoe: « Raha sitrak’i Jehovah ny alehan’ny olona , na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy » , fa ny hitantsika eto kosa dia izao : rehefa tsy sitrak’i Jehovah ny alehan’ny olona , na dia ny fahavalo efa lefy aza omeny hery vao indray , ary tena zava-doza izany satria Izy Andriamanitra mihitsy no mifanandrina amin’i Solomona izao .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3