Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alarobia, faha 13 Martsa 2019

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 11.26-43
26 Ary Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon'i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka. 27 Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka: Solomona nanorina an'i Milo* ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan'i Davida rainy; [Heb. fiarovana] 28 ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan'i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak'i Josefa tamin'ny fanompoany rehetra. 29 Ary tamin'izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha. 30 Dia noraisin'i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin'ny folo. 31 Ary hoy izy tamin'i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin'ny tànan'i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo 32 (nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin'i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely), 33 satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an'i Davida rainy. 34 Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin'ny andro rehetra hiainany noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko; 35 fa hesoriko eo an-tànan'ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany. 36 Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an'i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako. 37 Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fanahinao ary ho mpanjaka amin'ny Isiraely. 38 Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao*, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely. [Heb. hanao trano maharitra ho anao] 39 Ary hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay. 40 Ary Solomona nitady hamono an'i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin'i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin'i Solomona. 41 Ary ny tantaran'i Solomona sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Solomona va izany? 42 Ary ny andro nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona. 43 Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 11.26-43

Mihalalina ny fahavoazan’i Solomona eto:

1-Teo , avy any ivelany ny fahavalo, izao kosa avy ato anatiny . Teo dia Edomita sy Syriana no nitsangana hiady tamin’i Solomona . Izao kosa , dia i Jeroboama Efraimita no natsangan’ny Tompo hiady aminy . Izany tokoa no tonga amin’ny hoe: efa tafiditra an-trano ny fahavalo. Mampieritreritra fatratra ny mamaky itony tantara itony , fa hay , Andriamanitra dia mpahay politika iraisam-pirenena tsy hita velively . Hay , raha ny marina , toa saribakoly ampiasainy avokoa ihany ireo olona mihetsiketsika eo amin’ny fitondrana amin’ny firenen-tsamihafa ireo.

2-Tonga ny faminaniana ny amin’ny haharavan’ny fanjakan’i Solomona . Tonga amin’ny faratampony ny fanambarana eto. Teo trangam-pikomiana etsy sy eroa no hita . Eto kosa mpaminany mihitsy no tonga manambara ny fanapahan-kevitr’ Andriamanitra . Vita ny fizarana : ny 10 ho an’i Jeroboama , ny 2 sisa no ho an’ny taranak’i Solomona . Mbola eo amin’ny fitondrana i Solomona dia efa vitan’i Ahia ny fanendrena ny handimby azy . Fahasahiana lehibe ny an’i Ahia mpaminany . Enga anie ny Tompo haniraka mpaminany toy izany ho antsika koa mba hiteny amin’ny fahasahiana amin’ny Anarany indrindra eo amin’ny io sehatra politika io.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha- 3