Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Aprily 2019
Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 22.1-18
1 [Ny nikambanan'i Ahaba sy Josafata hiady amin'ny Syriana, sy ny nakany hevitra tamin'ny mpaminany, ary ny nahafatesan'i Ahaba] Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady. 2 Ary nony tamin'ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan'ny Joda, ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely. 3 Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria? 4 Ary hoy koa izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an'i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao. 5 Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah. 6 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an'i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka. 7 Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika? 8 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak'i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy. fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka. 9 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla. 10 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany. 11 Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany. 12 Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka. 13 Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa. 14 Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain'i Jehovah amiko ihany no hambarako. 15 Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka. 16 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany 17 Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy. 18 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 22.1-18
Lesona roa lehibe no andeha hianarantsika eto:
1-« Anontanio aloha ny tenin’i Jehovah » (and5)

Izany torohevitra feno fahendrena nataon’i Josafata , mpanjakan’i Joda izany dia tena fianarana ho antsika .Amin’izay rehetra kasaintsika hatao , anontanio aloha ny tenin’ny Tompo . Fantaro ny sitrapon’ Andriamanitra , araka ny hafatr’i Paoly hoe: « Ary noho izany dia aza manao adaladala , fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo » (Efes 5.17). Afaka mivavaka isika mba hamantarana izany ary afaka mandinika ny Soratra masina na manontany mpanompon’ Andriamanitra hafa.
2-« izay lazain’i Jehovah amiko ihany no hambarako » (and14)
Tena fanapahankevitra fototra takiana amin’ny mpanompon’ Andriamanitra rehetra izany , indrindra ho an’ny mpitoriteny. Hitantsika eto fa nobitsihana manokana mihitsy i Mikaia mpaminany mba hiray feo amin’ireo mpaminany namany ka haminany soa ho an’ny mpanjaka (and13). Dia mody nanome fahafahampo an-dry zareo tokoa (and15b) .Nefa tsy maintsy niverina tamin’ny foto-kevitra notazoniny ihany izy ka nanambara ny marina , na dia loza aza no vontoatin’izany (and17). Ny tantaran’i Mikaia dia mampahery ny mpitory ny tenin’ Andriamanitra rehetra fa na sarotra aza ny mijoro hilaza ny tena marina , tsy maintsy mijoro na vitsy anisa aza.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3