Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 12.1-13
1 [Ny amin'ny fanomezam-pahasoavana samy hafa] Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo. 2 Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo. 3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona* Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina. [* Gr. anatema] 4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. 5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. 6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. 7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana* ny Fanahy hahasoa. [* Na: fisehoan'] 8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, 9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, 10 ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery] 11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. 12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. 13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa*, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. [* Gr. Grika]

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 12.1-13

Mbola manohy hatrany amin’ny fananarana sy fanomezana ny tokony ho toetran’ny kristiana i Paoly , ka resahiny manokana ny asa mahagaga ataon’ny Fanahy Masina .

1-Fampanekena hoe : « I JESOA NO TOMPO »

 » Koa mampahafantatra anareo Aho fa …tsy misy manaiky hoe : Jesoa ny Tompo , raha tsy amin’ny Fanahy Masina  » (and3) . Teny marina eo ambavan’ny mino an’izay olona ao amin’i Kristy dia tarihan’ny Fanahy Masina hanaiky Azy ho « Tompo sy Mpamonjy » amin’ny fiainana (vakio Fil 2.11).

2-Fanomezam-pahasoavana ho fampandrosoana

Zarazarain’ny Fanahy Masina ho an’ny mino ny fanomezam-pahasoavana samihafa ho fampandrosoana ny Fiangonana sy ny asan’ Andriamanitra . Tsy misy tokony hihambo ho ambony na manana ny ambony akory ny rehetra satria avy amin’ny Fanahy iray ihany izany (jereo and 4-11) . Aza mihevi-tena ho zavatra.

3-Fampiraisana ny mino ao amin’i Kristy

« Fa fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray , na Jiosy na Jentilisa , na andevo na tsy andevo , ary isika rehetra dia efa nampisotroana ny Fanahy iray » (and13) . Tsy ezaka ataon’ny olombelona ny fampiraisana na dia maniry izany aza izy fa tena asa manokan’ny Fanahy masin’ Andriamanitra madiodio . Ny fananana ny Fanahy Masina no antoky ny fiombonana.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8