Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 12.14-31
14 Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro. 15 Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin'izany dia tsy momba ny tena va izy? 16 Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,- koa amin'izany dia tsy momba ny tena va izy? 17 Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana? 18 Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony. 19 Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena? 20 Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany. 21 Ary ny maso tsy mahazo manao amin'ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho. 22 Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany. 23 Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin'ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa; 24 fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin'ny momba ny tenantsika. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa, 25 mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra. 26 Ary raha mijaly ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena. 27 Ary ianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy. 28 Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana*, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra. [* Gr. hery] 29 Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra? 30 Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra? 31 Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 12.14-31
Mampieritreritra tokoa ny hoe: « nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra, ary indro izay làlana tsara indrindra no, atoroko anareo » (and31)
1-Aza manao tsinotsinona ny hafa
« Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena , samy ho eo amin’ny tena araka ny sitrapony » (and 18) . Oharina amin’ny tena iray misy rantsam-batana samihafa ny mpino. Tsy misy tokony hihevitra ho « ambony » na « lehibe » na « tsy mila ny hafa » ny mino . Hoy i Jesoa : « Fa tsy mba ho toy izany aminareo , fa izay te- ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo » izay te-ho voalohany ho farany (Mat 20.26; Mar 9.35,10.43) . Ny mpino an’i Kristy rehetra dia iray aina tanteraka.
2-Tiavo ny momba ny tena
Tsy misy olona tsy tia ny tenany . Izany toetra izany indrindra no takiana hampiharina ao amin’ny fiainan’ny mino izay tena iray ao amin’ i Kristy . »Ary ianareo no tenan’i Kristy , ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy » (and27) . Mitondra fahatsarana sy fandrosoana ho an’ny tena fiangonana ny fanaovana ho zava-dehibe ny hafa. Fototra sy loharano amin’ny hahatanterahan’izany ny fananana FITIAVANA (Agape) ity ilay ambaran’i Paoly eto hoe : « fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra »(and31). Angataho amin’ny Tompo izany omeny anao.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8