Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 15.1-11
1 [Ny amin'ny fitsanganan'ny maty] Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. 3 Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, 4 dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; 5 ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa. 6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. 7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra. 8 Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa. 9 Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan*'Andriamanitra aho. [* Gr. eklesia] 10 Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko. 11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 15.1-11
Fijoroana ho vavolombelona lehibe no ataon’i Paoly eto.Rehefa mijoro ho vavolombelona isika dia:
1-Ny tena Filazantsara marina tokoa
Hoy i Paoly : »Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko , dia izao : Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra masina , dia nalevina ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra masina » (15.3,4) .Tadidio mandrakariva fa ny fototry ny Filazantsara toriantsika dia izao ihany : maty i Kristy noho ny fahotantsika fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ny andro fahatelo ho fandresena lehibe ho antsika .
2-Aza mirehareha na manambara tena ho lehibe
Hoy i Paoly eto hoe: « Fa Izaho dia ambany indrindra amin’ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe : Apostoly , satria efa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra aho ». Tsinotsinona isika fa noraisin’ny Tompo ho ao Aminy. « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika , fa fony mbola mpanota isika , dia maty hamonjy antsika i Kristy » (Rom 5.8).
3-Lazao ny amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra
« Fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no nahatoy izao ahy , ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko, fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho , nefa tsy izaho fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no niara-niasa tamiko » (15.10). Ilay famindrampon’ Andriamanitra ho famonjena antsika no ambara eto , dia ilay fitiavany tsy miova mandrakizay . Tsarovy ny fitiavany anao.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8