Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 31 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 15.12-34
12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? 13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; 14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. 15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. 16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; 17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; 18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy. 19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. 20 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry. 21 Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty. 22 Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy. 23 Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany. 24 Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra. 25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 110. 1). 26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena. 27 Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy. 28 Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany*. [* Gr. mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra] 29 Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin*'ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy? [* Na: nisolo] 30 Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva? 31 Lazaiko marina*, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho. [* Na: Mianiana aho] 32 Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana* sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13). [* Na: inona no soa azoko, raha tsy atsangana ny maty? Aoka isika hihinana] 33 Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. 34 Mifohaza tsara*, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany. [* Na: Mifohaza ho amin'ny fahamarinana]Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 15.12-34
Tena mino ve ianao ary mahazo antoka fa hitsangana amin’ny maty ? E! indrisy , fa feno fisalasalana ny maro ankehitriny , eny fa na dia ireo tamin’ny andron’ i Paoly aza. Ambaran’ny Soratra masina aminao anio fa tsy maintsy hatsangana amin’ny maty ianao izay tena mino marina satria :
1-Efa natsangana tamin’ny maty i Kristy
« Fa raha tsy misy fitsanganan’ny maty , na dia i Kristy aza dia tsy natsangana « (15.13,20.23) . Koa satria mino isika noho ny fanambarana fa natsangana izy dia toy izany koa no hananganana antsika ao aminy ; izany no porofo lehibe mbola mahavelona ny finoantsika sy fitorianteny mandaka ankehitriny (jereo and14,17). Aoreno tsara ao amin’i Kristy irery ny finoanao dia ho velona mandrakizay ianao.
2-Kristy no Tompon’ny fanapahana , ny fanjakana, ny fahefana, ny hery rehetra
Tsarovy fa tsy misy mahatohitra na maharesy Ilay Kristy manankery feno ao anatinao. « Fa tsy maintsy manjaka Izy , mandra-panaony ny fahavalonyt rehetra ho eo ambanin’ny tongony » (Sal 110.1) (and25). Ny fahefan’i Kristy no manangana anao amin’ny maty (and26,27,28).
3-Mino sy mitory marina ny Filazantsara
Ny finoana sy ny fitoriana ny Filazantsara no fototra azo antoka hananana fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty (15.12,30-34) . « Hoy i Jesoa taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana . Izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray« (Jao 11.25) (vakio Rom 8.10/ 1 Kor 9.16).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8