Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 1.17-31
17 Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy. 18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 19 Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (Isa. 29. 14). 20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? 21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra*, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino; [* Na: Fa noho ny fahendren'Andriamanitra] 22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa* mitady fahendrena, [* Gr. Grika] 23 fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa*, [* Gr. Grika] 24 fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa*, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra. [* Gr. Grika] 25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona. 26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; 27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; 28 ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, 29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. 30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika, 31 mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 1.17-31
Tsy mana-toerana eo amin’ny filazana an’i Kristy ny fahendrena manokana avy amin’ny mpitory ny Filazantsara, satria ny Fanahy Masina irery ihany no hery mpanentana miantoka izany .
Izay voantso no tonga fa tsy izay be fitakiana
Tsy ny famantarana takin’ny Jiosy na ny fahendrena ara-kevitra andrandrain’ny Jentilisa eo amin’ny làlam-pamonjena akory no hanomezan’ Andriamanitra azy ireo fahafaham-po araka izay tiany (and22) . Manana ny fombany Andriamanitra . Koa na dia mampiasa mpitory aza Izy , dia i Kristy izay toriana no izy fa tsy ny mpitory ( and23-24 ).
Tsy misy fahamendehana azontsika alahatra raha namonjy antsika i Kristy
Ninian’ Andriamanitra ho ny iva sy ny tsinotsinona amin’izao fiainana izao no nofidin’ Andriamanitra amin’izao fiainana izao no nofidian’ Andriamanitra hampamenatra ny manan-tsaina sy ny hendry (and 27-29) . Tsy nisy navelan’ Andriamanitra hisy afaka hirehareha na Jiosy na Jentilisa . Mba no Izy Tompo irery ihany no ho reharehan’ny mpino noho ny halehiben’ny fiantsoany antsika (and31) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8