Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 2.1-16
1 Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay* an'Andriamanitra. [*Na: [ny filazana] 2 Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana; 3 ary izaho, raha tany aminareo, dia azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be; 4 ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery, 5 mba tsy niorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany. 6 Anefa milaza fahendrena amin'ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; 7 fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao; 8 ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra. 9 Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3), 10 dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. 11 Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. 12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika. 13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona* araka ny Fanahy** izahay. [ * Na: teny] [** Na: raha mampikambana zava-panahy; na mampitaha zava-panahy] 14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona. 16 Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy*? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. [* Na: azy]

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 2.1-16

Betsaka ny mpitory teny mbola alaim-panahy hametraka ny toriteniny amin’ny alalan’ny teny mahataona sy fahendren’ olombelona (and4a)

Torio amin’ny fanehoana ny Fanahy sy ny hery ny filazana an’i Kristy .I Kristy voahombo eo amin’ny hazo fijaliana no fototry ny toritenin’ny Apostoly . Io ilay hery miteraka ny finoan’ny mino , hahafahany mandresy izao tontolo izao (Apo 12.11).

Ny voafidy ihany no natao hahazo sy mahay mandray izany . Ninian’ Andriamanitra nakatona tsy hahatakatra izany ny sain’ny olon’izao tontolo izao (and 6-8) . Voafina tsy ho azony izany mba tsy hahafahany miala amin’ny fanamelohana ho avy. Hamarinin’ Andriamanitra koa izay nofidiany . Tamin’ny Fanahy no nanambarany izany (and10).

Miafina ao amin’ny I Kristy ny fahalalana sy ny fahendren’ Andriamanitra . Izay nomen’ i Kristy ny Fanahiny ihany no mahay mahafantatra sy miaina ny zava-miafin’ny Fanahy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8