Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 12 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 3.1-15
1 [Ny amin'ny raharahan'ny mpitoriteny, sy ny mbola hizahan-toetra azy] Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy. 2 Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza, 3 fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona? 4 Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo? 5 Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy. 6 Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. 7 Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. 8 Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. 9 Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo. 10 Araka ny fahasoavan'Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon'ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny. 11 Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. 12 Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana, 13 dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany*, ka dia hozahan-toetra, amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra. [* Na: izany] 14 Raha maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. 15 Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 3.1-15

 

Raha ny fijerin’i Paoly no zohina dia mariky ny fahazazana ara-panahy ny fifampiandaniana sy ny fifandirana misy eo amin’ny Fiangonana (and3).

Ny firehana amina olona manokana

Kianin’i Paoly mafy etoana ny fifikirana manokana amina mpanompon’ Andriamanitra ho toy ny tena zavatra eo amin’ny fampiorenana ny finoan’ny Fiangonana . Samy mpiara-miasa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny mpino izy ireny . Fa ny tena anton’izy rehetra dia i Kristy irery ihany (and9).

I Kristy no fototra hametrahana izay arafitra rehetra

Samy mitondra ny anjara birikiny avy ny mpino amin’ny fiantsoana iombonana. Andraisana valiny avy aminn’ny Tompo avokoa mantsy ny fikelezana aina natao amin’ny fanompoana azy (and 14)

Mitady fahafahampo amin’izay hatao ve isika rehefa manao ny asan’ny Tompo ? Nikatsaka izay « tsara » hatrany Andriamanitra tamin’ny asa fahariana (Gen 1) . Tokony ho hita eo amin’ny fiainan’ny mpino mihitsy noho izany ny kolotsain’ny fahatsarana.

Fa raha hitsahatra amin’izay nisasarany isika , misy asa tsara manaraka ve ? Sa zara aza fa voavonjy ? (and15)

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8