Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 4.6-21
6 [Anatra noho ny fiavonavonan'ny Korintiana] Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa. 7 Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray? 8 Efa afa-po sahady ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo, hiarahanay sy ianareo manjaka. 9 Fa ataoko fa nasehon'Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan'izao rehetra izao, na anjely na olona. 10 Izahay dia adala noho ny amin'i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin'i Kristy! izahay malemy, fa ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo! 11 Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay; 12 Ary misasatra miasa amin'ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra; 13 raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr'izao tontolo izao izahay, dia faikan'ny olona rehetra, mandraka ankehitriny. 14 Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho. 15 Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara. 16 Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo. 17 Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko* ao amin'i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. [* Gr. lalako] 18 Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho. 19 Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny. 20 Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery. 21 Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 4.6-21
Ny fifampiandaniana aman’olona iray dia miteraka fanevatevana tsotra izao ilay tsy omban’ny tena. Ny filazana ny teny fanambarana no fetra iononanana amin’izay sainina sy hatao.Raha mitoetra ao anatintsika ny Soratra masina ary tsy mihoatra amin’izay voalaza sy ampianarinyn ny mpino dia azo inoana marina tokoa fa tsy highoatra fefy ho aminn’y fifampiandaniana ny mpino(and 6).
Izay tokony hikelezana aina sy himatimatesana
Raha misy antony tokony iombonan’ny mpino amin’ny mpitory ny Filazantsara dia ny fanaovany ny ainy tsy ho zavatra noho ny Filazantsara fa tsy ny adilahy tsy mampandroso (and9-13). Iaretana zavatra maro tokoa mantsy ny asan’ny mpitory Filazantsara . Heverina fa izay mpiombona amin’ny ara-panahy dia tokony hiombona amin’ny fifanohanana amin’ny zavatra rehetra ihany koa.Ny fandefasan’i Paoly an’i Timoty hitandrina maharitr sy hitaiza ny Fiangonana tao Korinto dia tena nilaina mba hitomboany amin’ny fahamatorana n ara-pinoana izany na ara-pitondrantena (and17) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8