Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 5.1-13
1 [Anatra noho ny tsy nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta] Efa re marina fa misy fijangajangana at? aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy. 2 Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany? 3 Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho: 4 amin'ny anaran'i Jesosy Tompontsika - rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban'ny herin'i Jesosy Tompontsika - 5 hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesosy Tompo. 6 Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? 7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; 8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. 9 Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga; 10 nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo. 11 Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo. 12 Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo? 13 Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 5.1-13
Tandrovana tahaka ny anakandriamaso ny faharefon’ny Fiangonana mba tsy hanapaka ao aminy ny fiainam-pahotana.
Ilay masirasira ela
Na dia mbola misalotra ny natiora ota aza ny Fiangonana, mandra-piandry ny famotsorana azy amin’ny fisehoan’i Kristy indray amin’ny fiaviany faharoa, dia tsy tokony hohadinoina fa tsy azo ekena raha ny fiainam-pahotana no avela hanapaka eo anivony . Ny masirasira ela tokoa mantsy raha avela baranahany dia hahakasika ny singa maro. Izany no antony nahatonga an’i Paoly nitaona ny Fiangonana tao Korinto mba tsy hiharoharoany amin’ny ratsy (and9).
I Kristy no manamasina ny Fiangonana
Izay nanoloran’i Kristy ny tenany dia ny hamonjeny sy hanamasinany ireo izay rehetra voatendry nomen’ny Ray Azy . Ho setrin’ izay koa anefa dia andraikitry ny Fiangonana ny miaina mandrakariva amin’ny fihavaozana , mba tsy ny tena araka ny fomban’aina no hanapaka ny fiainany fa ny tena araka ny fombam-panahy.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8