Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 8.1-13 /9.1-27
1 [Ny amin'ny hena izay efa natao fanatitra tamin'ny sampy] Ary ny amin'ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso. 2 Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy. 3 Fa raha misy tia an'Andriamanitra, dia izy no fantany. 4 Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany. 5 Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na et? an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); 6 nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa. 7 Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy. 8 Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. 9 Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy. 10 Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany? 11 Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana? 12 Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo. 13 Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 8.1-13 /9.1-27
Mety amin’ny mpino ve ny mihinana ny hena aterina amin’ny sampy?
Tsy ny hena loatra no inona na ny tena izay mihinana , fa tokony heverina hatrany ny hoe : miara-miaina amin’ny hafa ny tena ary tsy mitovy ny tanjam-pinoan’ny rehetra (and11). Novidian’ny Tompo tamin’ny Rany mantsy io mpino toa anao io ka tena fatiantoka lehibe ny fahatafitohinany, indrindra raha sanatria ka tratry ny fihemorana izy (and13).
Mananjo ny ho velomin’ny mpiombom-panahy aminy ny mpitory ny Filazantsara .
Tsy hoe akory mpitory ny Filazantsara dia fehezina tsy hananjo amin-javatra maro (and1-12) . Zony tokoa ny ho karakarain’izay ampianariny ny teny hampandehanana ny fiainany (and9-11) ;mamaimpoana anefa ny fitoriana ny Filazantsara .Adidy tsy maintsy hatao ny fitoriana ny Filazantsara . Raha azo atao dia midina eo amin’ny fahafahan’ny itoriana mihaino tsara ny fomba hampitana izany mba tsy hovoasakana ny fanambarana mazava .Tsy natao itadiavam-bola na filan-karena koa anefa izany fa tena maimaimpoana.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8