Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Talata, faha 20 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 10.1-13
1 [Fananarana fandrao misy manaram-po araka ny nofo ka tratry ny loza] Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, 2 ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina, 3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, 4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. 5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra. 6 Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny. 7 Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao (Eks. 32. 6). 8 Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro. 9 Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo* isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny. [* Na: [an'i Kristy] 10 Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana. 11 Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao. 12 Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. 13 Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 10.1-13
Mampieritreritra mafy ny fanehoankevitr’i Paoly eto momba ny làlam-pamonjena niombonan’ny Israely nefa toa tsy nizotra amin’izany avokoa izy rehetra .Izay nahazo ny teny fikasana sy nisitraka ny fanehoam-panahy ve dia mbola mety ho lasa amin’ny fahaverezana? Mampitandrina i Paoly eto fa nianoka sy nisitraka ny « teny fikasana » ( Batisa-fisotroam-panahy ) avokoa ny Israely rehetra niala avy tany Egypta (and2-3) nefa nisy izay naringana (and 8) satria tsy nankasitrahana satria mpila zava-dratsy (and 5-6).
Ny toe-panahy takin’ny Tompo amin’ny mpino
Ny fijangajangana ara-panahy , ny filalaovan-dratsy , ny tsy fahaiza-mankasitraka izay fitantanan’ny Tompo ary ny fimonomononana dia tena mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra (and10).
Mahaiza mijoro tsara
Ny làlam-pamonjena dia làlan-tsarotra. Mety hisy ny fakampanahy kanefa tsy mamela antsika hitondra izay tsy zaka ny Tompo . Efa tendreny sahady ny làlana hivoahana amin’izany (and13) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » boky faha-8