Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Septambra 2019

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 15.51-58
51 Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, 52 fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. 53 Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. 54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] 55 Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14). 56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota. 57 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 58 Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 15.51-58

Ambaran’izao Soratra masina izao ny tsiambaratelon’ny fandresena ao amin’i Kristy ho an’izay mino . Hitsena sy hihaona amin’ny Tompon’ny Voninahitra isika.

1-Hitafy ny tsy fahalovana mandrakizay

Miomàna hitsena ny Tompo . Ny lamba na ny akanjo hoentintsika mitsena ny Tompo dia ny tsy fahalovana mandrakizay na ny maty na mbola velona izany (and51-52). Fahefan’ Andriamanitra manokana ny fanovana antsika, fa tsy ezak’olombelona akory « izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny , araka ny fiasan’ny heriny , izay hahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy » (Fil 3.21).

2-Mpandresy mandrakizay isika

Ny fahafatesana no fahavalo farany tsy maintsy horesena. Ny dikany : ho avy tokoa ny fitsanganan’ny vatana ho velona . Tsy hanankery intsony ny fahafatesana fa ho resen’i Kristy tanteraka izy , ka tsy hoe i Kristy ihany no nitsangana tamin’ny maty, fa ny maty rehetra koa dia hitsangana avokoa. Ary rehefa hatafin’ Andriamanitra antsika ny tenan’ny tsi-fahafatesana dia ho MPANDRESY MANDRAKIZAY ISIKA (vakio 15.54-57).

3-Miorena tsara

« Koa amin’izany ry rahalahiko malalako , dia miorena tsara , aza miova ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo , satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina oa amin’ny Tompo  » 1 Kor 15.58).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8