Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin'i Josoa 

Josoa 21,43 - 22,8
43 [Ny nahatanterahana ny teny rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely] Dia nomen'i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo, 44 Dia nomen'i Jehovah fitsaharana amin'ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin'ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr'i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra. 45 Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah tamin'ny taranak'Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany. 1 [Ny nampodiana ny firenena roa sy sasany any an-dafy atsinanan'i Jordana, sy nanorenany ilay alitara teo amoron'i Jordana, ary ny nataon'ny firenena sasany tamin'izany. ] Ary tamin'izay dia nantsoin'i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase, 2 ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo; 3 tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin'izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo. 4 Ary ankehitriny dia efa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin'ny lainareo avy, ho any amin'ny taninareo, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo any an-dafin'i Jordana. 5 Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra. 6 Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy. 7 Ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nomen'i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen'i Josoa teo amin'ny rahalahiny et? an-dafy andrefan'i Jordana. Ary raha nampodin'i Josoa ho any amin'ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy 8 ka nilazany hoe: Modia ho any amin'ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman'ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

JOSOA 21.43-45;22.1-8

1-Mahatoky tanteraka ny Tompo 

Fehiteny maharavo ny  fo no hitantsika eo amin’ny and 43-45: nianiana ny  Tompo  ary notanterahiny izany , fa tsy nohadinoiny akory . Nomeny ny Zanak’ Israely ny tany nampanantenainy ary nomeny fitsaharana tamin’ny nandreseny ny fahavalony izy ireo . « Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra  izay nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak ‘Israely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany » (and45). Aiza indray isika no hahita  Andriamanitra mahatoky mihoatra noho izany ? Ary ao amin’i Jesoa no nahatanterahany izany (2 Ko 1.20); tsarovantsika manokana amin’ny andro krismasy.

2-Misaraka amim-pihavanana

Hitantsika ao amin’ny Nomery 32 ny nahazoan’ny firenen’i Robena sy Gada  ary ny atsasaky ny firenen’i Manase zara tany tao an-dafy atsinanan’i Jordana .Ankehitriny , tanteraka ny nifanarahana dia notsofin’i Josoa rano hody izy ireo . Tena toetra mahatoky koa izany  mitana ny teny  nomena izany , na teo amin’ireo firenena ireo , na teo amin’i Josoa . Ary dia nisaraka tamin-tsodrano izy ireo fa tsy nisy disadisa. Lesona ny amin’ny fitandroam-pihavanana izao.

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 2