Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Oktobra 2018
Fandalinana ny Bokin'i Josoa
JOSOA 23.1-11
1 [Fananarana nataon'i Josoa] Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, 2 dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana, 3 ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo. 4 Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana. 5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. 6 Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, 7 mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany; 8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany. 9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany. 10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo. 11 Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo.Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 23.1-11
1-Misy fetrany avokoa ny olona.
Lehilahy nanana ny maha- izy azy i Josoa .Tena nahadimby anaran-dray soa izy raha nandimby an’i Mosesy . Raha nanao ny tombana ezaky ny asa niarahany niasa tamin’ny Tompo izy (and1-4) dia hita fa nahavita be tokoa . Saingy na ahoana na ahoana fahalehibiazantsika olombelona, voafetra ihany isika. Tonga ny fahanterana. Fahendrena ho antsika mpanompon’ Andriamanitra rehetra ny manaiky izany fetrantsika izany rehefa tonga …ny fisotron-dronono!
2-Mitohy anefa ny ady (and5-11)
Tsy mifarana eo amintsika akory ny asan’ Andriamanitra . Na dia be aza ny faritra efa azo , na efa vita aza ny fizarana ,dia mbola nisy firenena tompontany tsy mbola voaroaka . Ary toy izany koa ny fiainantsika kristiana ,na efa azontsika tokoa aza ny fahasoavana samihafa ,aza adinoina fa mbola mitohy ny ady . Raha nanafatra i Petera hoe: »mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy « (2 Petera 3.18), dia izany no heviny : aza mijanona amin’izao fa mitomboa amin’ny fiainana kristiana ,mahareta amin’ny finoana . Mifikira amin’ny Tompo irery ihany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 2