Fandalinana ny Bokin’i Josoa

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin'i Josoa

JOSOA 23.12-16
12 Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo, 13 dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. 14 Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza. 15 Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. 16 Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 23.12-16

1-Hafatra hiatrehana ny ho avy (and12-13)

Eo anoloan’ny faritany tsy mbola azo dia napetrak’i Josoa mazava fa ny fanompoana ny Tompo irery ihany sy ny tsy fanarahana ny fanompoan-tsampin’ireo  tompon-tany  no hany  paika hahafahana manitatra ny ambaindain’ny tanin’i Israely . Raha tsy izany dia tsy hiitatra intsony  izany . Fampitandremana lehibe ho antsika izany : raha vao mitady marimaritra iraisana amin’ny fahazaran-dratsintsika isika,dia mitsahatra ny  fitomboantsika ara-panahy .

2-Hafatra fampahatsiahivana (and14)

Nohizingizinin’i Josoa indray fa mahatoky ny Tompo ka tsy  nisy tsy notoviny izay nampanantenainy. Koa afa-matoky azy 100% izy ireo . Ny  Tenin’ Andriamanitra no ifikiro fa marina amin’ny Teniny Izy .

3-Hafatra fampitandremana (and15-16)

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra